bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 37
Jeremiah 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
1
Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.
2
Kanefa, na i Tsedekià na ireo tandapany na ireo vahoakan’i Joda, dia samy tsy nihaino ny fampitandremana izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany.
3
I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.
4
Tamin’izay fotoana izay dia tsy mbola voatana an-tranomaizina i Jeremià, ka afaka nivezivezy malalaka.
5
Ny tafiky ny Farao dia efa niainga avy tany Ejipta rahateo; koa raha nandre izany ny Babilônianina, izay teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema, dia nihataka kely niala an’i Jerosalema.
6
Ary nisy tenin’ny TOMPO ho an’i Jeremià mpaminany manao hoe:
7
«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Ny mpanjakan’i Joda izay naniraka anareo hanontany Ahy dia ilazao hoe: Ny tafiky ny Farao, izay efa niainga mba hamonjy anareo, dia niverina ilalana ka nody any Ejipta.
8
Ho avy indray kosa ny Babilônianina hanafika ity tanàna ity ka hahazo azy sady handoro azy amin’ny afo.
9
Ary izao koa no lazaiko aminareo: Aza mamita-tena foana ka hihevitra fa lasa tanteraka ny Babilônianina, satria tsy nandeha velively ireo!
10
Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilônianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay avy ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanàna ity amin’ny afo.› »
11
Fa raha mbola nihataka an’i Jerosalema ny tafika babilônianina mba hidify ny tafiky ny Farao,
12
dia nivoaka ny tanàna i Jeremià hankany amin’ny faritanin’i Benjamîna mba handray anjara amin’ny fizaràn-tany ataon’ny fianakaviany.
13
Kanjo raha vao nandalo teo am-bavahadin’i Benjamîna izy, dia nifanehatra tamin’ny lehiben’ny mpiambina atao hoe Jirià, zanakalahin’i Selemià sady zafikelin’i Hananià. Ary nosamborin’i Jirià i Jeremià mpaminany ka nataony hoe: –Miandany amin’ny Babilônianina ianao.
14
Fa novalian’i Jeremià hoe: –Lainga izany, tsy miandany amin’ny Babilônianina aho. Nefa tsy nino izany i Jirià fa nisambotra an’i Jeremià ary nitondra azy ho any amin’ny lehibeny.
15
Tezitra tamin’i Jeremià kosa ireto ka nikapoka azy sady nanagadra azy tao an-tranon’i Jônatàna mpitantsora-panjakana.
16
Ary naiditra tao amin’ilay efitra miendrika an-dohalambo i Jeremià. Efa ela nitoerana tao amin’io tranomaizina io Jeremià
17
no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»
18
Ary hoy koa i Jeremià tamin’i Tsedekià mpanjaka: –Inona no heloka nataoko taminao na tamin’ny manamboninahitrao na tamin’ny mponina eto amin’ity tanàna ity no dia nataonareo an-tranomaizina aho?
19
Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?
20
Dia nampian’i Jeremià hoe: –Ankehitriny, ry andriamanjaka, miangavy anao aho mba hihaino ny fangatahana ataoko eo anatrehanao: Aza averina any an-tranon’i Jônatàna mpitantsora-panjakana intsony aho, fandrao maty ao.
21
Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52