bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 13
Jeremiah 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
1
Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano.»
2
Dia nividy fehikibo araka izay nolazain’ny TOMPO aho ka nafehiko ny kiboko.
3
Ary nisy tenin’ny TOMPO fanindroany nanao tamiko hoe:
4
«Ento ny fehikibo izay novidinao ka afehinao ny kibonao, ary mankanesa any Farà ka afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato any izy.»
5
Dia nankany Farà aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.
6
Nony afaka andro maro dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mankanesa indray any Farà ianao ary alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao tany.»
7
Dia niverina tany Farà aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin’ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lò tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo.
8
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
9
«Izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko lo tahaka ity fehikibo ity ny zavatra mampirehareha an’i Joda sy mampirehareha fatratra an’i Jerosalema.
10
Fa vahoaka ratsy tsy mety mihaino izay lazaiko izy, mikiry amin’ny ditram-pony, mifikitra amin’ireo andriamani-kafa ka manompo azy sy miankohoka eo anatrehany. Koa ho tahaka io fehikibo tsy azo ampiasaina intsony io anie ity vahoaka ity!
11
Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»
12
Ndeha lazao amin’ny vahoakan’i Israely sy amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Ny siny rehetra dia natao hofenoina divay!» Ary raha mamaly anao izy hoe: «Fantatray tokoa fa natao hofenoina divay ny siny rehetra»,
13
dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.
14
Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy.»
15
Mihainoa, ka mandrenesa tsara; aza miavonavona satria ny TOMPO no miteny.
16
Omeo voninahitra ny TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo eny an-tendrombohitra rakotry ny alina eny. Miandry ny mazava ianareo, kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany sy hataony toy ny rahona mainty.
17
Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.
18
Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.
19
Voahidy ny tanàna any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan’i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
20
Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona àry no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
21
Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.
22
Amin’izay dia hanontany tena ianao hoe: «Ahoana no nahatonga izao tamiko?» Ny halehiben’ny fahadisoanao no nanaingàna ny morontongotr’akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao.
23
Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo!
24
Koa haeliko ianareo ho toy ny poti-mololo indaosin’ny rivotra avy any an-taniefitra.
25
Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin’ireo andriamani-tsiizy:
26
Izaho koa dia hanainga ny morontongotr’akanjonao hatreny amin’ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.
27
Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany?
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52