bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 51
Jeremiah 51
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 52 →
1
Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an’i Babilôna sy hamely ny mponina ao aminy.
2
Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.»
3
–Aoka tsy hanenjan-tsipîka intsony ao Babilôna ireo mpitifitra amin’ny tsipîka! aoka izy tsy hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!– Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!
4
Eny amin’ny tanin’i Babilôna dia hiampatrampatra ireo maratra, ary eny an-dalambeny no hitsitsitra ireo maty an’ady.
5
Satria manenika an’i Babilônia ny fahotany tamin’ilay Masin’i Israely. –Ilay Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao kosa tsy mba namela an’i Israely sy i Joda ho mpitondratena.–
6
Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.
7
I Babilôna dia tsatokaty volamena teo an-tanan’ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan’ny firenena no nahavery saina ireny.
8
Kanjo tampoka no nianjeran’i Babilôna sy nahamontsamontsana azy. –Manaova hira fisaonana ho azy, makà balsama hatao amin’ny feriny. Angamba ho sitrana ihany izy?
9
–Efa nitsabo an’i Babilôna izahay saingy tsy nety sitrana izy. Aoka hilaozantsika izy, ka samia mody any an-tanintsika avy! Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.
10
Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao hotantaraintsika any Tsiôna izay nataon’ny TOMPO Andriamanitsika.
11
Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.
12
Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.
13
Ry Babilôna izay mipetraka eo amoron’ny ony lehibe sady manana harena sarobidy ô, tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.
14
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia nianiana tamin’ny tenany hoe: «Handefa olona hibosesika ao aminao Aho, ka ho maro toy ny valala ireny, ary hanao akoran’ady hamelezana anao.»
15
Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.
16
Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.
17
Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.
18
Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.
19
Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.
20
«Ry Babilôna, hoy ny Tompo, kanonta sy fitaovam-piadiana ho Ahy ianao. Ianao no nampiasaiko hanorotoroana firenena sy hanapotehana fanjakana maro.
21
Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
22
Ianao no nampiasaiko hanorotoroana lehilahy sy vehivavy, na antitra na tanora na ankizy.
23
Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny mpiandry ondry sy ny andian’ ondriny, ny mpamboly sy ny ombiny mizioga, ary ny governora sy ny lefiny.»
24
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: Ho hitanareo kosa izao fa hatsingeriko amin’i Babilôna sy ny mponina rehetra any Babilônia ny ratsy rehetra nataony tamin’i Tsiôna.
25
Indro mamely anao Aho, ry Babilôna mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin’ny tany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao,
26
ka tsy ho azo akàna vato intsony hatao vato fehizoro na vato fanorenana. Ho toerana mahonena mandrakizay ianao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
27
Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.
28
Entano ny firenena maro hamely azy, indrindra fa ny mpanjakan’i Medianina, ny governora rehetra sy ny lefiny ary ny faritany manontolo izay iadidiany.
29
Mihorohoro sy mihovitrovitra ny tany fa tanteraka amin’i Babilôna ny fikasan’ny TOMPO hamelezana azy mba hahatonga an’i Babilônia ho tany mahonena tsy misy mponina intsony.
30
Tsy mety hiady intsony ny miaramila kalazan’i Babilôna, fa lasa niery any amin’ny trano fiarovana. Lefy herim-po izy, ka nalemy toy ny vehivavy. Nodorana ny fonenany, potika ny hidim-baravarany.
31
Mifampita vaovao ny iraka mpihazakazaka mba hampandre ny mpanjakan’i Babilôna, fa azom-pahavalo ny tanànany manontolo.
32
Voatazona ny toeram-pitàna, voadoro ny volotara eny an-kady fiarovana, kivy ny miaramila babilônianina.
33
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»
34
«Nandripaka sy nitsentsitra ahy i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; dia napetrany toy ny vilia nolelafina aho. Tahaka ny fitelin’ny mamba no nitelemany ahy, ka ny tsokako no namenoany ny kibony; izay aho vao naloany.
35
Aoka ny mponin’i Tsiôna hiteny hoe: Hanody an’i Babilôna anie ny herisetra nataony tamiko! Aoka i Jerosalema hiteny hoe: Hanody azy anie ny heloka nataony tamin’ny nandatsahany ny rako!»
36
Izao àry no lazain’ny TOMPO amin’i Jerosalema: «Horaisiko an-tanana ny momba anao ka Izaho no hamalifaty anao: hataoko maina ny oniny ary horitiko ny loharanony.
37
Ho tonga korontam-bato i Babilôna, ka ho fonenan’ny amboadia, ho toerana tsy misy mponina intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.
38
Miara-mierona toy ny liona tanora ny mponina ao Babilôna ankehitriny ary mikonainaina toy ny zana-diona.
39
Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo dia hatory mandrakizay, ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
40
Any amin’ny toeram-pamonoana no hitondrako azy toy ny zanak’ondry sy toy ny ondrilahy aman’osilahy.»
41
Andray! Nalaza eran-tany ny tanànan’i Sesàka nefa azo sy voatazona izy izao! Andray! Tonga toerana mahonena i Babilôna eo anivon’ny firenena maro!
42
Tafakatra hatrany aminy ny ranomasina, nandrakotra azy ny onjany misafoaka.
43
Tonga aolo ny tanànany; karankaina sy ngazana ny taniny sady tsy misy mponina intsony ary tsy misy olona mandalo azy.
44
Hoy ny TOMPO hoe: «Hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Bela andriamanitr’i Babilôna Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan’i Babilôna!
45
Koa ilaozy ny tanànany, ry vahoakako, ary samia manavo-tena ianareo mba tsy hiharan’ny fahatezerako mirehitra!
46
«Tandremo tsy ho kivy na hatahotra ianareo noho ny tsaho izay taterina ao amin’ny tany. Fa hifandimby ny tsaho samihafa arakaraky ny taona: herisetra ao amin’ny tany, fanonganan’ny mpanao didy jadona an’izay talohany...
47
Ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra hamely ireo sarivongan-tsampin’i Babilôna. Afa-baràka ny taniny manontolo; hiampatrampatra ao an-tanàna ny maty rehetra.
48
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hanao hobim-pandresena noho ny amin’i Babilôna, rehefa tonga avy any avaratra ireo tsy maintsy handrava azy.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.
49
Nahatonga fahafatesan’olona maro i Babilôna teo amin’ny tany manontolo; koa anjarany indray izao ny ho faty noho ireo Israelita izay novonoiny.
50
Koa ianareo izay afaka tamin’ny ady, mandehana fa aza mijanona eo. Avy any lavitra any no tsarovy ny TOMPO ary ataovy ao an-tsainareo i Jerosalema.
51
Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an- tranon’ny TOMPO.
52
Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra hamely ireo sarivongan-tsampin’i Babilôna. Ho re manerana ny taniny ny tolokon’ireo maratra.
53
Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
54
Misy feo miantso vonjy avy any Babilôna: fandringanana goavana no re avy ao amin’ny taniny.
55
Fa ny TOMPO no mandrava an’i Babilôna, sy mampangina ny horakorany. Mamelona akoran’ady ny fahavalo ka toy ny feon’onjan-dranomasina ao anaty kotro-baratra izany.
56
Tonga hanafika an’i Babilôna ny mpandrava, ka hanao sambo-belona ireo maherifony, sy hanapotika ny tsipîkany. Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao ka mampihatra tokoa ny valifatiny.
57
«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»
58
Dia nampian’ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Rava tanteraka ny manda matevin’i Babilôna, ary voadoro ny vavahadiny avo; ka dia sahiram-poana ny vahoaka, zavatra ho kilan’ny afo no isasaran’ireo firenena.»
59
I Seraià, zanakalahin’i Nerià sady zafikelin’i Mahaseià, no lehiben’ny tobin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan’i Tsedekià dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilôna izy. Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an’i Babilôna, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an’i Seraià i Jeremià hoe:
61
«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;
62
avy eo dia milazà hoe: ‹Ny tenanao mihitsy, TOMPO ô, no niteny taminay fa handringana ity tanàna ity ka tsy hisy hitoetra eto intsony na olona na biby fa fahonenana mandrakizay izy.›
63
Rehefa vitanao ny famakiana ny horonan-taratasy, dia afatory amin’ny vato iray izy, ary atsipazo ao amin’ny ony Eofrata;
64
sady ataovy hoe: «Tahaka an’izao no hilentehan’i Babilôna ka tsy hipoirany intsony noho ny loza hataon’ny Tompo mihatra aminy.» «Izany no isasaran’ireo firenena»: mifarana eto ny tenin’i Jeremià.
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 52 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52