bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 25
Jeremiah 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
1
Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.
2
Ka hoy i Jeremià mpaminany tamin’ny vahoaka rehetra ao Joda sy ny mponina rehetra tao Jerosalema:
3
«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.
4
Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.
5
Hoy Izy taminareo: «Samia miala amin’ny fitondrantena sy fanao ratsiny avy ianareo, dia haveriko honina ao amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay ianareo.
6
Aza mifikitra amin’ireo andriamani-kafa hivavaka aminy na hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny fanaovana sampy; dia tsy hahatonga loza aminareo Aho.
7
Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; fa vao mainka aza nampahatezitra Ahy tamin’ny fanaovana sampy mba hahatonga loza aminareo.»
8
Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Satria tsy nihaino ny teniko ianareo,
9
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
10
Hofoanako tsy hisy eo aminareo ny tabataban’ny fety, ny horakora-pifaliana sy ny hiran’ny mpanambady, ny fidilotry ny vato fikoseham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.
11
Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.
12
Rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly an’i Nebokadnetsara sy ny vahoakany noho ny helony, hamely ny taniny Aho ka hanao azy ho taniefitra rava mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
13
Hataoko mihatra amin’izany tany izany ny loza rehetra izay efa nolazaiko. Voasoratra ao anatin’ity boky ity ireny, dia araka izay efa nambaran’ny mpaminany Jeremià ny amin’ny firenena rehetra.
14
Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.
15
Izao no voalazan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso etỳ an-tanako ity tsangambava izay feno ny divaim-pahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16
Hisotroany anie izany ka hampivembena sy hahavery saina azy eo anoloan’ny fandringanana izay halefako eo anivony.»
17
Dia noraisiko ny tsangambava izay teny an-tanan’ny TOMPO, ary nampisotroiko ny firenena rehetra izay nanirahan’ny TOMPO ahy.
18
I Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda mbamin’ireo mpanjaka sy mpanapaka teo aminy no nanombohako izany mba hahatonga ireo toerana ireo ho rava ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-panozonana, araka izao toe-javatra ankehitriny izao.
19
Dia tonga ny anjaran’ny firenen-kafa: –Ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy ireo tandapany ary ny mpifehiny mbamin’ny vahoakany rehetra,
20
miaraka amin’ireo firenena madinika samihafa monina any Ejipta; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tany Hotsy; –ireo mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina: dia ny tao Askelôna sy tao Gazà sy tao Hekrôna ary tao amin’ny faritra sisa eo Asdôda;
21
–ny Edômita sy ny Môabita ary ny Hamônita;
22
–ireo mpanjaka rehetra tao Tiro sy tao Tsidôna ary tao amin’ny tany amorontsiraka any ampitan-dranomasina any;
23
–ny mponina any Dedàna sy Temà ary Bozỳ mbamin’ireo olona rehetra mpiharatra fihirifana;
24
–ireo mpanjaka rehetra any Arabia sy any amin’ireo foko samihafa monina any an-taniefitra;
25
–ireo mpanjaka rehetra any Zimrỳ sy any Helama ary any Media;
26
–ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.
27
Nanafatra ahy ny Tompo hilaza amin’izy rehetra hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitr’i Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà amin’ny tany mihitsy; ka tsy ho tafarina intsony ianareo noho ny fandringanana izay halefako eo anivonareo.»
28
Ary nampiany hoe: «Raha misy mandà tsy hisotro amin’ny tsangambava izay atolotrao azy, dia ilazao hoe: Izany no baikon’ny TOMPOn’izao rehetra izao ka tsy maintsy misotro ianareo.
29
Ireo tanàna izay natokana ho Ahy aza no nanombohako nandefasana loza, ka ianareo ve no hataoko afa-maina? Tsia, tsy hataoko afa-maina ianareo, fa hiantso sabatra hamely ny mponina rehetra eo amin’ny tany Aho. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
30
Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.
31
Tonga amin’ny mponina rehetra amin’ny tany izany feo mitrena ataon’ny Tompo izany, ary tafapaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Manana ady atao amin’ireo firenena ny TOMPO ka miantso ny olona rehetra ho eo amin’ny fitsarana. Izay olon-dratsy dia hatolony haringana. Izany no teny hentitry ny TOMPO.»
32
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro miainga ao amin’ny firenena iray ny loza ka mihanaka any amin’ny firenena hafa; misy tafio-drivotra mahery mipoitra avy any am-paran’ny tany.»
33
Amin’izany andro izany, manomboka amin’ny tendron-tany ankilany ka hatrany amin’ny tendron-tany andaniny, izay nasian’ny TOMPO ho faty dia tsy hisaonana; tsy hangonina na halevina izy ireny, fa ho tonga zezika eo amin’ny velaran-tany.
34
Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.
35
Tsy manan-kisitrihana intsony ny mpitondra; tsy manan-kialofana ny mpiandraikitra andian’ondry.
36
Reko ny antsoantsom-pitarainany sy ny fidradradradrana ataony, satria efa simban’ny TOMPO ireo kijana fiandrasany.
37
Nirehitra ny hatezeran’ny TOMPO dia gina ilay kijana niadanana.
38
Tahaka ny liona tanora nandao ny kirihitra fiereny no fahalasanan’ireo mpitondra Efa tonga lao ny taniny satria mahatsiravina ny ady ary mirehitra ny hatezeran’ny Tompo.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52