bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 23
Jeremiah 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 24 →
1
«Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, fa mpiandry ratsy mamela ny andian’ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.»
2
Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
3
«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.
4
Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
5
«Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.
6
Amin’ny andro hanjakany no hamonjena an’i Joda sy hiainan’i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: ‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›
7
«Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,
8
fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »
9
Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:
10
«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.
11
Ny mpaminany ama-mpisorona dia samy fangoloka avokoa. Na dia hatrany an-tranoko aza dia ahitako ny faharatsiany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
12
Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»
13
«Tao amin’ny mpaminanin ’i Samaria no nahitako zavatra maharikoriko: naminany tamin’ny anaran’i Bahala izy ary nampivaona ny Israelita vahoakako.
14
Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»
15
Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.»
16
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.
17
Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: ‹Hisy fiadanana ho anareo›. Mikiribiby amin’ny ditram-pony dia anambaràny hoe: ‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›
18
Iza moa no efa nanatrika tao amin’ny filankevitro, hoy Izaho TOMPO? Iza no nahita sy nandre izay nolazaiko tao? Ary iza no naharay sy nahatakatra ny teniko?»
19
Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eny an-dohan’ny olon-dratsy.
20
Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.
21
Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy.
22
Raha nanatrika ny filankevitro izy, dia ho afa-nampita ny teniko tamin’ny vahoakako ka ho nitarika azy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy amin’ny zava-mamohehatra fanaony.
23
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Moa Andriamanitra tsy mahita afa-tsy ny akaiky ihany va Aho? Tsia, fa mahita ny lavitra koa Aho.
24
Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.
25
Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.»
26
Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?
27
Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan’ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan’ny razany Ahy ka nanompoany an’i Bahala.
28
Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
29
ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
30
Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo.
31
Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay nampifangaro ny teniny amin’ny teniko.
32
Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.
33
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»
34
Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.
35
Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?»
36
Ary ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO» dia tsy tokony hotononinareo intsony. Fa moa enta-mavesatra ho an’ny olona tokoa ve ny tenin’Andriamanitra? Tsia, fa raha izany dia avadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely.
37
Eny, izay tokony hanontanianareo ny mpaminany dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO anao, inona no voalazan’ny TOMPO taminao?»
38
Fa raha mbola teneninareo ihany ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», na dia efa nandrarako anareo aza,
39
dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.
40
Hatolotro ho amin’ny henatra sy ny fahafaham-baràka tsy hohadinoina mandrakizay ianareo.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52