bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 22
Jeremiah 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
1
Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity
2
ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»
3
Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.
4
Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.
5
Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.
6
Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.
7
Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.
8
Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanàna ity tahaka izao?
9
Dia hovaliana hoe: «Satria nandao ny fanekempihavanan’ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin’ireny.»
10
Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.
11
Eny, izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Salòma mpanjakan’i Joda izay nandimby an’i Jôsià rainy ary vao nandao ity toerana ity: «Tsy hiverina intsony izy.
12
Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.»
13
Lozanao, ry Jôiakima, fa nanorina ny lapanao ianao nefa tsy araka ny hitsiny, ary nanampy rihana ianao nefa tsy araka ny rariny fa nampiasainao maina ny namanao ka tsy nomenao ny karamany.
14
Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.
15
Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.
16
Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?
17
Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.»
18
Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»
19
Halevina toy ny fandevina boriky izy; ka ny fatiny hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.
20
Miakara any an-tampon’i Libano ka manaova koka lava, ry Jerosalema; ataovy re any Basàna ny feonao manaova koka lava eny amin’ny havoanan’i Habarima fa potika ny sakaizanao rehetra.
21
Efa nampitandrina anao Aho fony ianao nandry fahalemana nefa novalianao hoe: «Tsy te hihaino aho.» Fanaonao hatramin’ny fahazazana izany ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao.
22
Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.
23
Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!
24
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.
25
Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.
26
Horoahiko ianao sy ny reninao ho any amin’ny tany izay hafa noho ny tany nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo mianaka.
27
Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.»
28
Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»
29
–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.
30
Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52