bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 36
Jeremiah 36
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 37 →
1
Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:
2
«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.
3
Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»
4
Dia niantso an’i Baròka zanakalahin’i Nerià i Jeremià, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain’ny TOMPO azy; ary nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy ireny.
5
Avy eo dia nandidy an’i Baròka i Jeremià hoe: «Sakanana tsy hiditra ao an- tranon’ny TOMPO aho, ka tsy afaka mankany ny tenako.
6
Fa ianao kosa, mankanesa ao amin’ny andron’ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren’ny olona ao amin’ny tempoly mbamin’izay rehetra tonga avy amin’ireo tanànan’i Joda izany.
7
Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»
8
Dia nataon’i Baròka izay rehetra nandidian’i Jeremià mpaminany azy, ka nankao an-tranon’ny TOMPO izy ary namaky mafy ny hafatry ny TOMPO voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy.
9
Tamin’ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no nisehoan’izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan’ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin’ireo tanànan’i Joda.
10
Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.
11
Nony avy nandre ny tenin’ny TOMPO rehetra izay novakin’i Baròka tao amin’ny horonan-taratasy i Mikaià, zanakalahin’i Gemarià sy zafikelin’i Safàna,
12
dia nidina tao an-dapan’ny mpanjaka ary tonga amin’ny biraon’ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisamà mpitantsora-panjakana, i Delaià zanakalahin’i Semahià, i Elnatàna zanakalahin’i Hakbôra, i Gemarià zanakalahin’i Safàna, i Tsedekià zanakalahin’i Hananià sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra.
13
Notantarain’i Mikaià azy ny teny rehetra reny avy fony i Baròka namaky mafy teo anatrehan’ny olona rehetra ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy.
14
Koa naniraka an’i Jehodỳ, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Selemià sady zafiafin’i Kosy ireo mpitondra fanjakana ireo mba hiantso an’i Baròka ho tonga ao aminy miaraka amin’ny horonan-taratasy eny am-pelatanany. Dia nentin’i Baròka ny horonan-taratasy ary nankany aminy izy.
15
Ary hoy ireo tamin’i Baròka: –Mipetraha ianao, ary vakio aminay iny horonan-taratasy iny. Dia novakîny taminy izany.
16
Nony ren’ireto mpitondra fanjakana ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy ka nilaza tamin’i Baròka hoe: –Tsy maintsy ampitainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17
Ary nanontany an’i Baròka ireo hoe: –Mba hazavao aminay ny fomba nanoratanao ireo hafatra rehetra ireo?
18
Dia novalian’i Baròka hoe: –I Jeremià no nanonona tamiko ireo hafatra rehetra ireo, ary izaho kosa no nanoratra azy tamin’ny ranomainty teo amin’ny horonan-taratasy.
19
Dia hoy ireo mpitondra fanjakana ambony tamin’i Baròka: –Mandehàna miafina ianao sy i Jeremià, ka aoka tsy hisy hahalala izay misy anareo!
20
Dia navelan’ireo tao amin’ny biraon’i Elisamà mpitantsora-panjakana ny horonan-taratasy fa lasa izy nankeo an-kianjan’ny lapa mba hitantara amin’ny mpanjaka ny zavatra rehetra niseho.
21
Dia naniraka an’i Jehodỳ ny mpanjaka mba haka ilay horonan-taratasy tao amin’ny biraon’i Elisamà. Koa nalain’i Jehodỳ ny horonan-taratasy ary novakîny mafy teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpitondra fanjakana ambony rehetra izay nipetraka teo anilany.
22
Satria volana fahasivy tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny trano fandaniany ny ririnina ny mpanjaka, ary nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23
Koa isaky ny mahavaky toko telo na efatra i Jehodỳ, dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipîka ireny ka natsipiny tao anaty afo; koa farany dia tapitra may avokoa ny horonan-taratasy manontolo.
24
Takatry ny mpanjaka sy ireo manamboninahiny tokoa ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy, nefa tsy nampiseho tahotra na mariky ny alahelo akory izy.
25
Ary na dia niangavy mafy tamin’ny mpanjaka aza i Elnatàna sy i Delaià ary i Gemarià mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nohenoiny;
26
fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.
27
Taorian’ny nandoroan’ny mpanjaka ny horonan-taratasy nisy ny hafatra rehetra izay nosoratan’i Baròka avy tamin’ny fanononan’i Jeremià, dia tonga tamin’i Jeremià ny baikon’ny TOMPO nanao hoe:
28
«Makà horonan-taratasy iray hafa ianao ka soraty ao ireo hafatra rehetra tamin’ny horonan-taratasy voalohany izay nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda.
29
Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.
30
Koa izao no lazaiko ny amin’i Jôiakima mpanjakan’i Joda: Tsy hanana zanakalahy hanjaka handimby azy eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida i Jôiakima; ary hariana ny fatiny ka hianjadian’ny hafanana amin’ny antoandro sy ny hatsiaka amin’ny alina.
31
Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »
32
Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52