bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 5
Jeremiah 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
1
Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.
2
Rehefa manao fianianana ny mponina, dia manao hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho...»; nefa tsy marina akory ny fianianany.
3
TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.
4
Dia hoy aho anakampo hoe: «Momba ireo olona mahantra ihany izany; tsy misaina loatra izy ireny ka tsy mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO na izay fitsipik’ilay Andriamaniny.
5
Fa handeha hiteny amin’ireo olo-maventy aho; ireny izao no mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO, dia izay fitsipik’ilay Andriamaniny.» Kinanjo mitovy ihany izy rehetra: samy efa nanapaka zioga sy nanito ny fatorany amin’Andriamanitra.
6
Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.
7
Ry Jerosalema ô, ahoana moa no hamelako ny helokao? Ny zanakao efa nandao Ahy ka nianiana tamin’ny andriamani-tsiizy. Novokisako tamin’izay nilainy izy nefa nanitsakitsa-bady ihany, ka nirohotra ho amin’ny fijangajangana.
8
Toa soavaly mpikarenjy tsara fahana izy, ka samy nandeha mitrentrena tamin’ny vadin’ny namany avy.
9
Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?
10
Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny.
11
Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
12
Nandà ny Tompo ny vahoakan’i Joda, ka nilaza hoe: «Tsy misy ny TOMPO; tsy hahatratra antsika ny loza sady tsy hahita ady na mosary isika.»
13
Tsinontsinona ihany ireo mpaminaniny, fa tsy ao aminy ny tenin’ny Tompo. Aoka hotodîn’izay lazainy izy!
14
Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Noho izany tenin’ireo vahoaka ireo izany, dia hataoko ho toy ny afo ny teniko izay ampitondraiko anao, ry Jeremià; ity firenena ity kosa dia ho toy ny kitay ka holevonin’izany afo izany.
15
Ny aminareo indray, ry vahoakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia indro Aho hahatonga firenena avy lavitra hamely anareo, dia firenena tsy mety resy sady anisan’ireo tranainy indrindra, firenena tsy fantatrareo ny fiteniny sady tsy azonareo izay lazainy.
16
Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsipîkany; ary mpiady mahery ny miaramilany rehetra.
17
Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.
18
Nefa na amin’izany andro izany aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy hataoko ringana avokoa ianareo.
19
Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»
20
Ampitao amin’ny taranak’i Jakôba izao hafatra izao ka, ampandreneso ny vahoakan’i Joda, hoy ny teny hentitry ny TOMPO:
21
Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.
22
Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.
23
Ianareo kosa vahoaka mafy fo sy mpiodina, misintaka lavitra ianareo dia lasa,
24
fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»
25
Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo.
26
Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako, miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy. Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy, mba hisamboran’olona.
27
Tahaka ny tranom-borona feno vorona dia feno zavatra nangalarina ny tranony. Izany no nahatonga azy ho lehibe sy manan-karena,
28
ho matavy sy mandimandina. Mihoa-pampana ny ratsy ataony: Manohana ny ratsy fanahy izy amin’ny fitsarana fa tsy manome rariny ny kamboty; tsy raharahany akory izay zon’ny mahantra.
29
Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?
30
Misy zava-doza sy mahatsiravina miseho ao amin’ny tany:
31
maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52