bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 10
Jeremiah 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
1
Mihainoa ny hafatra izay nambaran’ny TOMPO momba anareo, ry olon’i Israely.
2
Izao no lazain’ny TOMPO: «Aza ianaranareo ny fomban’ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.
3
Ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana ihany. Hazo any an’ala no kapainy, dia sokirin’ny mpandrafitra ho sampy.
4
Ravahany volamena na volafotsy izany, hamafisiny amin’ny tantanana sy ny fantsika mba tsy hampihetsiketsika azy.
5
Toy ny kalo eny an-tanin-kôkômbra ireo andriamanitra sampy ireo ka tsy miteny akory; entina izy fa tsy mba afa-mandeha. Aza matahotra azy ianareo, fa tsy afaka manisy ratsy izy ary tsy afaka manisy soa ihany koa.»
6
Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO, fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao amin’ny asa mahery nataonao.
7
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.
8
Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.
9
Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ôfira, izay namboarin’ny mpanao asan-tanana sy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.
10
Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.
11
Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.
12
Tamin-kery no nanaovan’ny Tompo ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.
13
Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.
14
Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr’izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin’ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.
15
Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.
16
Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.
17
Angòny hiala teo ny entanao, ry Jerosalema voafahirano.
18
Fa izao no lazain’ny TOMPO: «Amin’ity indray mandeha ity dia horoahiko ny mponina eo amin’ny tany; hotemeriko akaiky izy mba tsy hisy ho afa-mitsoaka.»
19
Hoy kosa i Jerosalema hoe: «Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany.
20
Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny. Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo. Tsy misy hanangana ny laiko intsony na hanorina indray ny fialofako.»
21
Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.
22
Injany misy feon-javatra mirohondrohona sy mihamanatona, dia fanakorontanana goavana avy any amin’ny tany avaratra any, mba hahatonga ny tanànan’i Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.
23
TOMPO ô, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany, ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia.
24
Koa ahitsio aho, ry TOMPO, nefa araka ny antonony ihany fa tsy araka ny fahatezeranao fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
25
Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan’ny hatezeranao. Fa nandripaka an’i Jakôba ireo, eny, nandripaka azy hatramin’ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52