bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Jeremiah 44
Jeremiah 44
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 45 →
1
Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:
2
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin’i Jerosalema sy ireo tanàna hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,
3
satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.
4
Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.
5
Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa.
6
Koa natosako taminareo ny fahavinirako sy ny fahatezerako, ka nandoro ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema; eny, ho rava sy hampahonena ireny araka izay hita amin’izao andro izao.› »
7
Dia notohizan’i Jeremià hoe: «Ary ankehitriny dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Ahoana no dia anaovanareo ratsy lehibe hahavoa ny tenanareo? Moa tianareo haringana avokoa angaha ny vahoakan’i Joda mba tsy hisy sisa tavela na lehilahy na vehivavy na tanora na zaza madinika?
8
Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!
9
Hadinonareo angaha ireo ratsy nataon’ny ray aman-dreninareo, nataon’ny mpanjaka sy ireo mpitondran’i Joda ary nataon’ny tenanareo sy ny vadinareo tao amin’ny tanin’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema?
10
Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalànako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo.› »
11
Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.
12
Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.
13
Hirotsaka an-tsehatra hamely izay monina any Ejipta Aho, tahaka izay namelezako ny mponina tao Jerosalema tamin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
14
Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany.› »
15
Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an’ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrôsa, dia namaly an’i Jeremià hoe:
16
–Na dia amin’ny anaran’ny TOMPO aza no ilazanao aminay izany teny izany, dia tsy hihaino anao izahay.
17
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.
18
Nefa hatramin’izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin’ny ady sy ny mosary.
19
Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.
20
Ary hoy i Jeremià tamin’ny vahoaka rehetra, dia ireo lehilahy sy vehivavy izay namaly azy teo:
21
–Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin’ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan’ny TOMPO sady hadinony ireny?
22
Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.
23
Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin’ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalànany sy ny didiny ary ny fampitandremany.
24
Ary hoy koa i Jeremià tamin’ny vahoaka rehetra teo, indrindra tamin’ny vehivavy rehetra teo: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo Jodeanina rehetra atỳ Ejipta.
25
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Ny anareo vehivavy manokana, izay voalazanareo dia tanterahinareo; ka nilaza ianareo fa hanefa ny voady nataonareo tamin’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra ary hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho azy. Koa efao ny voadinareo ary ataovy izay efa nampanantenainareo!
26
Kanefa henoy tsara kosa izay ambarako aminareo, ry Jodeanina rehetra izay monina atỳ Ejipta, fa Izaho TOMPO no miteny izao: Indro mianiana amin’ny tenako Aho fa tsy hisy lehilahy jodeanina intsony manerana an’i Ejipta, hanonona ny anarako hoe: ‹Velona ny Tompo ANDRIANANAHARY, ka mianiana aho...!›
27
Indro himasoako aminareo ny hahatonga loza fa tsy soa. Koa ny Jodeanina rehetra izay atỳ Ejipta dia ho ringan’ny ady sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy.
28
Olom-bitsy no afaka hitsoaka amin’ny ady sy hiverina avy atỳ Ejipta ho any amin’ny tanin’i Joda. Koa izay sisa velona rehetra amin’ny Jodeanina tonga nialokaloka tatỳ Ejipta dia hahafantatra izay ho to teny na Izaho na izy.
29
Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.
30
Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hôfrà mpanjakan’i Ejipta tahaka izay nanolorako an’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay fahavalo nitady hahafaty azy.»
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 45 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52