bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 10
Isaiah 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
1
Lozan’izay mamoaka lalàna mampidi-doza sady mampanoratra didy fampahoriana
2
mba hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3
Inona no hataonareo amin’ny andro famaliana, rehefa ho tonga avy any lavitra ny fandringanana? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny voninahitrareo?
4
Tsy misy azo atao afa-tsy mihohoka miaraka amin’ny mpifatotra sy mianjera miaraka amin’ny voavono. Kanefa na izany rehetra izany aza dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
5
Lozan’i Asiria, tsorakazon’ny fahatezerako! Eny, tehina eny an-tanany ny fahavinirako!
6
Hamely firenena ratsy fanahy no anirahako azy, ary hamely ny olona izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, mba hamabo sy handroba ka hanitsakitsaka azy tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
7
Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izay no heverin’ny fony; fa ny handringana no ao am-pony, hamongotra firenena maro.
8
Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governora ambany fahefako ireny?
9
Tsy tahaka an’i Karkemisy va i Kalno? Tsy tahaka an’i Arpada va i Hamata? Ary tsy tahaka an’i Damaskosy va i Samaria?
10
Tahaka ny nahatraran’ny tanako ny fanjakan’ny andriamanitra tsy izy na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sarin-javatra voasokitra ao aminy,
11
moa tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamanitra tsy izy ivavahany va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?
12
Kanefa rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao amin’ny tendrombohitra Ziona sy i Jerosalema dia hovaliako kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asiria sy ny fireharehan’ny masony miandranandrana.
13
Satria hoy izy: Tamin’ny herin’ny tanako no nanaovako izany, tamin’ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho; nanaisotra ny faritanin’ny firenena aho sady namabo ny harenany, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no nanonganako ny mpanapaka.
14
Tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tanako ny harenan’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan’ny reniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra: Tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka.
15
Ny famaky va hirehareha amin’izay mampiasa azy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toa ny tsorakazo indray no mampihetsika izay manainga azy, ary ny tehina indray no manandratra izay tsy hazo!
16
Koa izany no handefasan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, fahiazana amin’ny tremalahiny. Ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo.
17
Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja;
18
ary holevoniny tanteraka ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra. Ho tahaka ny fitofezaky ny marary mafy izany.
19
Ho vitsy ny hazo sisa any an’alany ka na zazakely aza dia hahasoratra ny isany.
20
Amin’izany andro izany, ny Israely sisa izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; fa NY TOMPO, Iray Masin’ny Israely, ihany no hiankinany marina tokoa.
21
Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra mahery.
22
Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olonao dia izay sisa aminy ihany no hiverina. Efa tapa-kevitra ny handringana ny Tompo ka hampihatra ny famaliana marina.
23
Eny, tapaka fa haringan’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ny tany manontolo.
24
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Ry oloko izay monina any Ziona, aza matahotra ny Asiriana! Mamely anao amin’ny tsorakazo izy ary manainga ny tehiny aminao tahaka ny fanaon’i Ejipta.
25
Nefa kely sisa dia hitsahatra ny fahavinirana, ary handringana azy kosa ny fahatezerana.
26
Eny, hamely azy amin’ny karavasy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, tahaka ny namelezana ny Midianita teo amin’ny vatolampy Oreba; ary haingainy eny ambonin’ny ranomasina ny tsorakazony, tahaka ny nataony tamin’ny Ejipta.
27
Ary amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany, ho afaka amin’ny vozonao ny bao fitondrana entany, ho simba ny bao fitondrana entany noho ny fihatavezanao.
28
Injao, tonga any Aiata izy, mamakivaky an’i Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy.
29
Mandalo ao an-kadilanana izy. Ao Geba isika no handry! Hoy izy. Mangovitra i Rama, mandositra i Gibean’i Saoly.
30
Mikiakiaha mafy, ry Bata-Galima! Mampandria sofina, ry Laisy! Indrisy, ry Anatota mahantra!
31
Lasa mandositra i Madmena, mitady fierena ny mponina any Gebima.
32
Mbola mijanona any Noba izy anio ary manofahofa ny tanany manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoanan’i Jerosalema.
33
Indro, manapaka ny rantsany madinika amin-kery lehibe NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Izay mijoalajoala no voakapa ary izay tena avo no aetry;
34
Kapainy amin’ny vy ny ala mikirindro ary i Libanona dia alamaky ny Iray Mahery.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66