bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 19
Isaiah 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
1
Ny amin’ny loza hanjo an’i Ejipta: Indro NY TOMPO mitaingina rahona miriotra mafy ka tonga any Ejipta. Mangorohoro eo anatrehany ny andriamanitra tsy izy any Ejipta, ary ketraka ny fon’i Ejipta.
2
Hampirisihiko hiady izy samy Ejiptiana: Samy hiady amin’ny rahalahiny sy amin’ny namany avy izy; ny tanàna dia hiady amin’ny tanàna ary ny fanjakana dia hiady amin’ny fanjakana.
3
Ho very hevitra ny Ejiptiana; eny, hofoanako ny fikasany; hila saina amin’ny andriamanitra tsy izy sy amin’ny mpiantso ny fanahin’ny maty ary amin’ny mpanandro izy.
4
Hatolotro hogiazana amin’izay fitondrana mafy i Ejipta ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
5
Ho tankina ny rano amin’ny ranomasina, ho ritra ny ony ka ho maina;
6
ho maimbo ny sampantsampan’ny ony; hihena ny lakandranon’i Ejipta ka ho maina; halazo ny volotara sy ny zozoro;
7
ho ngazana ny moron’i Neily sy ny vavaranon’i Neily, ho maina izay nafafy teny amoron’i Neily ka tsy ho eny intsony fa hopaohin’ny rivotra.
8
Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano.
9
Ho menatra izay mandraotra tahon-drongony, dia ny mpandraotra sy ny mpanenona lamba fotsy.
10
Ho torotoro ny andrin’ny tany ary halahelo ny mpikarama rehetra.
11
Tena adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; hevi-poana no avoakan’ireo izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsainan’i Farao. Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe: Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka tamin’ny fahagola?
12
Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy ary aoka ho fantany izay nokasain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hatao amin’i Ejipta!
13
Adala ny mpanapaka any Zoana, voafitaka ny mpanapaka any Nofa, ary nampivembena an’i Ejipta ireo fehizoron’ny fireneny;
14
NY TOMPO efa nandrotsaka fanahy mampandraingiraingy tao Ejipta ka nampivembena azy tamin’ny asany rehetra nataony, tahaka ny olona mamo mivembena sady mandoa.
15
Tsy misy manao na inona na inona intsony ny Ejiptiana, na ny loha na ny rambo, na ny palma na ny zozoro.
16
Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy i Ejipta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny fanaingan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny tanany, izay aingainy hamelezany azy.
17
Ary ho tahotr’i Ejipta ny tanin’i Joda, koa na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hamelezana azy.
18
Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Ejipta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana fa ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ny iray amin’ireny dia hatao hoe Ira-Haresa.
19
Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’NY TOMPO eo amin’ny tany Ejipta ary tsangambato ho Azy eo amin’ny sisintaniny.
20
Ho famantarana sy vavolombelona ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ao amin’ny tany Ejipta ireo; raha mitaraina amin’NY TOMPO noho ny mpampahory izy dia haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.
21
Hanao izay hahafantaran’ny Ejiptiana Azy NY TOMPO, ary hahalala NY TOMPO kosa ny Ejiptiana amin’izany andro izany; dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy ka hivoady amin’NY TOMPO sady hanefa ny voadiny.
22
Eny, raha mamely ny Ejiptiana NY TOMPO dia sady hamely Izy no hanasitrana; dia hiverina ho any amin’NY TOMPO ireo ka hekeny ny fangatahany ary hositraniny izy.
23
Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Ejipta mankany Asiria, koa ny Asiriana dia hankany Ejipta, ary ny Ejiptiana kosa dia hankany Asiria, ary hiara-manompo ny Ejiptiana sy ny Asiriana.
24
Amin’izany andro izany dia ho fahatelo aorianan’i Ejipta sy Asiria ny Israely, ho fitahiana eo amin’ny tany;
25
satria hotahin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Ejipta oloko, sy Asiria asan’ny tanako, ary Israely lovako!
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66