bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 11
Isaiah 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 12 →
1
Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, hisy mitrebona avy eo aminy.
2
Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’NY TOMPO, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana NY TOMPO.
3
Ho hanitra ankasitrahana Aminy ny fahatahorana NY TOMPO ka tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampanaiky araka ny ren’ny sofiny.
4
Fa hotsarainy amin’ny fahamarinana ny madinika ary homeny rariny ny mahantra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny ratsy fanahy.
5
Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehikibony.
6
Hiara-mitoetra amin’ny amboadia ny zanak’ondry, hiara-mandry amin’ny zanak’osy ny leoparda; hiray toerana ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy ka zazalahy kely no hitari-dalana azy.
7
Hiara-komana ny ombivavy sy ny bera, hiara-mandry ny zanany, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona.
8
Hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana ny zaza minono ary hanatsotra ny tanany ao amin’ny lavaky ny bibilava ny zaza mitsaha-nono.
9
Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina.
10
Amin’izany andro izany, ny Solofon’i Jese, izay hijoro toy ny faneva ho an’ny firenena hafa, dia hotadiavin’ny Jentilisa, ary ho feno voninahitra ny toeram-pitsaharany.
11
Amin’izany andro izany dia mbola hanatsotra ny tanany fanindroany ny Tompo mba hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Asiria sy Ejipta, Patrosa sy Kosy, Elama, Sinara sy Hamata ary ny avy any amin’ny nosy an-dranomasina.
12
Dia hanangana faneva ho an’ny Jentilisa Izy ka hamory ny Israely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely avy any amin’ny vazan-tany efatra.
13
Hitsahatra ny fialonan’i Efraima ary hofongorana ny mpandrafy an’i Joda; tsy hialona an’i Joda intsony i Efraima ary tsy handrafy an’i Efraima intsony i Joda.
14
Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona.
15
Hataon’NY TOMPO ho zavatra voaozona ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, hanainga ny tanany amin’ny ony Eofrata Izy ka hamely azy amin’ny rivony mahamay; hokapohiny io dia hanjary sakeli-drano fito ary ho tafita amin’izany ny olona tsy miala kapa.
16
Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay ho sisa avy any Asiria, toy ny ho an’ny Israely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66