bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 40
Isaiah 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
1
Ampiononinareo, ampiononinareo ny oloko, hoy Andriamanitrareo.
2
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra.
3
Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana!
4
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka!
5
Dia hiseho ny voninahitry NY TOMPO ary hiara-mahita izany ny nofo rehetra; fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.
6
Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra.
7
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona:
8
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!
10
Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
11
Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
12
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
13
Iza no nanome hevitra ny Fanahin’NY TOMPO ary iza no mpanolotsaina nampianatra Azy?
14
Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena?
15
Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina.
16
I Libanona aza, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy hatao fanatitra dorana manontolo.
17
Toy ny tsinontsinona eo anatrehany ny firenena rehetra ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana.
18
Koa ampitovinareo amin’iza moa Andriamanitra? Endrik’inona no hampanahafinareo Azy?
19
Ny mpahay taozavatra no mandrendrika sary vongana, ary ny mpanefy volamena no mametaka takelaka volamena aminy sy manao rojo volafotsy voarendrika.
20
Izay sahirana ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lo ary mitady mpahay taozavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihozongozona.
21
Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va? Tsy efa nambara taminareo taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ny fanorenan’ny tany?
22
Izy no mipetraka amin’ny habakabaka ambonin’ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify ary manenjana azy tahaka ny tranolay hitoerana.
23
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy, vao namaka tao amin’ny tany ny fotony, dia notsofin’Andriamanitra ireo ka nalazo, ary nindaosin’ny tafio-drivotra tahaka ny mololo izy.
25
Koa hampitovianareo amin’iza moa Aho, mba hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
26
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
27
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Israely hoe: Miafina tsy hitan’NY TOMPO ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29
Mampahatanjaka ny reraka Izy ary izay kely hery dia ampitomboiny hery.
30
Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
31
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66