bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 44
Isaiah 44
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 45 →
1
Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko sy ry Israely izay nofidiko.
2
Izao no lazain’NY TOMPO izay namorona anao, sy namolavola anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, ary ianao, ry Jesoròna izay nofidiko;
3
fa handatsaka rano amin’izay mangetaheta Aho ary handefa riaka ho amin’izay tany karankaina; eny, handrotsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho ary ny fitahiako ho amin’ny naterakao.
4
Dia haniry eny afovoan’ny ahitra ireny, tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ny rano mandeha.
5
Ny iray dia hilaza hoe: An’NY TOMPO aho! Ary ny iray dia hiantso ny anaran’i Jakoba. Ary ny iray koa dia hanoratra eo amin’ny tanany hoe An’NY TOMPO, ary hotononiny amim-panajana ny anarana hoe Israely.
6
Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, Mpanavotra azy, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no voalohany ary Izaho no farany, koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
7
Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy! Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola! Ary aoka hambarany koa izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga.
8
Aza matahotra na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko. Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy mahafantatra Aho.
9
Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; tsy mahasoa akory ny zavatra tiany indrindra; ireny no vavolombelony, sady tsy mahita ireny no tsy mahalala, koa hitsanga-menatra noho izany izy.
10
Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra voarendrika izay tsy mahasoa akory?
11
Indro, ho menatra ny namany rehetra; fa ny mpahay taozavatra nanao ireny dia olona ihany; aoka hivory izy rehetra ka handroso; aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
12
Ny mpanefy vy dia mandoro ny fiasany tahaka ny famaky ao anaty vainafo ary manamboatra azy amin’ny maritoa; miasa azy amin’ny sandriny matanjaka izy; nefa noana izy ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka.
13
Ny mpandrafitra dia manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ny fanoratana; manamboatra azy amin’ny vankona izy, ary manamarika azy amin’ny fanoritam-paribolana; mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona izy, tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona, mba hampitoerina ao an-trano.
14
Mikapa hazo sedera izy ary maka hazo kipreso sy hazo oaka izay efa nitombo tany an’ala; mamboly hazo kesika izy ka ampanirin’ny ranonorana izany;
15
Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany.
16
Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho!
17
Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!
18
Tsy mahalala na mahafantatra ireny; fa voatampina ny masony ka tsy mahita, toy izany koa ny fony ka tsy mahalala.
19
Tsy mieritreritra izy na mba manana fahalalana sy saina akory hitenenana hoe: Nodorako tamin’ny afo ny antsasany; eny, nanendy mofo tamin’ny vainafony aho: nanatsatsika hena aho dia nihinana; koa ny sisa dia hataoko fahavetavetana! Hiankohoka eo anatrehan’ny vatan-kazo aho!
20
Homan-davenona izy; voafitaka ny fony ka nampivily azy, tsy mahavonjy azy izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako havanana?
21
Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao ry Israely, fa mpanompoko ianao; noforoniko ianao ka mpanompoko; tsy hohadinoiko ianao, ry Israely ô.
22
Efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona Aho, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; koa miverena Amiko fa efa nanavotra anao Aho.
23
Mihobia, ry lanitra, fa NY TOMPO no nanao izany! Manaova feo fifaliana ianareo, ry toerana lalina any ambanin’ny tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Ary ianao ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao! Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba sady mampiseho ny voninahiny eo amin’Israely.
24
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
25
Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.
26
Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava.
27
Milaza amin’ny rano lalina Aho hoe: Aoka ho maina ianao; hataoko tankina ny oninao.
28
Ary milaza an’i Kirosy Aho hoe: Izy no mpiandry ondriko! Koa izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary hiteny amin’i Jerosalema izy hoe: Hatsangana ianao! Ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ianao.
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 45 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66