bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 43
Isaiah 43
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
1
Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!
2
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
3
Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Israely, Mpamonjy anao; omeko ho fanavotana anao i Ejipta, ary ho solonao i Kosy sy i Seba.
4
Satria sarobidy eo imasoko ianao, ary be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena no ho solon’ny ainao.
5
Aza matahotra fa momba anao Aho; hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao.
6
Ny avaratra dia hilazako hoe: Omeo! Ary ny atsimo hoe: Aza hazonina! Alao ny zanako lahy avy lavitra sy ny zanako vavy avy any amin’ny faran’ny tany,
7
dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay novolavolaiko sy nataoko.
8
Ento mivoaka ny olona jamba nefa mana-maso, ary ny marenina nefa manan-tsofina.
9
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!
10
Ianareo no vavolombeloko hoy NY TOMPO, sady mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
11
Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
12
Izaho no nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy olon-kafa tao aminareo; koa ianareo no vavolombeloko, hoy NY TOMPO, ary Izaho no Andriamanitra.
13
Eny, hatramin’izany andro izany dia Izaho no Izy, ary tsy misy maharombaka ny eto amin’ny tanako; miasa Aho ka iza moa no hahasakana izany?
14
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony.
15
Izaho no TOMPO, Iray Masinareo, Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo.
16
Izao no lazain’NY TOMPO, izay manao lalana eny amin’ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ny rano manonja,
17
izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany:
18
Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
19
Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
20
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko.
21
Izao vahoaka noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
22
Nefa tsy mba Izaho no nantsoinao, ry Jakoba! Fa sasatra Tamiko ianao, ry Israely!
23
Tsy nitondranao ny zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo Aho. Tsy nataonao ho fanomezam-boninahitra Ahy ny fanatitrao; tsy nataoko raharaham-panompoanao ny fanatitra, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo manitra Aho.
24
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ny jaboran’ny fanatitrao; fa nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao kosa ianao sady nanasatra Ahy tamin’ny helokao.
25
Izaho dia Izaho ihany no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ary tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
26
Ampahatsiarovy Aho, koa avia isika hifandahatra; alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
27
Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota ary efa nikomy Tamiko ireny mpitondra teninao ireny.
28
Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66