bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 42
Isaiah 42
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 43 →
1
Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.
2
Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hanao fitsarana marina tokoa Izy.
4
Tsy ho reraka Izy na ho kivy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy dia hiandry ny lalànany.
5
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
6
Izaho TOMPO no niantso anao tamin’ny fahamarinana sy mihazona anao amin’ny tananao, ary miaro anao Aho ka hanao anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavana ny Jentilisa,
7
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana.
8
Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.
9
Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.
10
Samia mihira fihiram-baovao ho an’NY TOMPO, dia ny fiderana Azy avy any amin’ny faran’ny tany, ianareo izay midina any amin’ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy!
11
Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy.
12
Aoka homena voninahitra NY TOMPO ary hotorina any amin’ny nosy ny fiderana Azy!
13
Mivoaka hiady tahaka ny lehilahy mahery NY TOMPO, tahaka ny fanaon’ny lehilahy mpiady no amohazany ny fahasaro-piarony; miantsoantso Izy; eny, mihiaka mafy; mampiseho hery handreseny ny fahavalony Izy.
14
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka; eny, miemponempona tsy avy miaina.
15
Hataoko ngazana ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra eo aminy, hataoko tonga nosy ny ony, ary hataoko tankina ny farihy.
16
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.
17
Hihemotra sady hitsanga-menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay miteny amin’ny sarin-javatra voarendrika hoe: Ianareo no andriamanitray!
18
Mihainoa ry marenina! Mijere ry jamba mba hahita!
19
Iza moa no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahak’ilay nahita fiadanana, ary jamba tahaka ny mpanompon’NY TOMPO?
20
Mahita zavatra maro ianao nefa tsy mitandrina; misy nanongilana ny sofiny nefa tsy nihaino.
21
Sitraky NY TOMPO noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
22
Kanefa ity dia firenena voababo sy voaroba! Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voafina ao an-tranomaizina; voababo izy nefa tsy misy mamonjy! Voasambotra izy nefa tsy misy miteny hoe: Ampodio!
23
Iza aminareo no hihaino izany? Iza no handre dia hitandrina izany amin’ny ho avy?
24
Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Israely ho an’ny mpamabo? Tsy NY TOMPO, izay nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalany ireo sady tsy nety nihaino ny lalànany.
25
Dia narotsany tamin’Israely ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady. Ary nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; ary nandoro azy nefa tsy noheverin’ny fony.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66