bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 54
Isaiah 54
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 53
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 55 →
1
Mihobia ianao, ry momba, izay tsy niteraka! Eny, velomy ny hoby ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy NY TOMPO.
2
Halalaho ny itoeran’ny tranolainao ary aoka hohenjanina ny ambaindainao ka aza avela hisy hikentrona! Halavao ny kofehinao ary aoreno mafy ny tsatokan-dainao!
3
Fa hiitatra any amin’ny ankavanana sy any amin’ny ankavia ianao ary hahazo firenena hafa ny taranakao ka hasiany mponina ny tanàna lao.
4
Aza matahotra fa tsy hitsanga-menatra ianao; ary aza mangaihay fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondro-masonao fony mpitondratena.
5
Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Ny Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao. Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6
Fa NY TOMPO efa nampody anao, dia ianao izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy. Vadin’ny fahatanorana va dia azo apetraka? hoy Andriamanitrao.
7
Indray mipy maso monja no nahafoizako anao, fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao;
8
tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipy maso monja, fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy NY TOMPO, Mpanavotra anao.
9
Fa Amiko izany dia tahaka ilay ranon’i Noa, koa tahaka ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10
Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
11
Ianao ry ory izay asafotofoton’ny tafio-drivotra sady tsy manana fampiononana! Indro Aho hahatonga ny vatonao hiloko fotsy manopy manga sy hametraka ny fanorenanao amin’ny safira,
12
hataoko robisy ny tilikambo fiambenanao, vato berila ny vavahadinao, ary vatosoa ny faritry ny taninao manodidina.
13
Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’NY TOMPO ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.
14
Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; manalavira ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, ary ny fampihorohoroana tsy hanakaiky anao intsony.
15
Na dia misy miara-mioko hamely anao aza dia tsy avy Amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho lavo noho ny aminao kosa.
16
Indro Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny vainafon’arina ka mahavita fiadiana araka ny asany; Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana azy.
17
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
← Chapter 53
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 55 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66