bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 2
Isaiah 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 3 →
1
Ny tenin’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’izay hitany momba ny Joda sy i Jerosalema.
2
Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia ho tafaorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana, ary ny firenena rehetra no hitanjozotra hankany.
3
Eny, olona marobe no hiainga ka hiteny hoe: Andeha isika hiakatra any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny tranon’Andriamanitr’i Jakoba! Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, sy handehanantsika amin’izay tokony haleha. Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’NY TOMPO.
4
Ho mpitsara ny firenena Izy ka ho mpanelanelana amin’ny firenena maro. Dia hanefy ny sabany ho angady ireny, ary ny lefony ho hetim-boaloboka; ny firenena dia tsy hanainga sabatra hamely firenena hafa na hianatra ady intsony.
5
Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’NY TOMPO!
6
Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana izay mpanandro tahaka ny Filistina izy sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny;
7
feno volafotsy sy volamena ny taniny, tsy hita lany ny harenany, feno soavaly ny taniny ary tsy hita isa ny kalesy fitondrany miady.
8
Feno andriamanitra tsy izy ny taniny; eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, dia eo anoloan’izay nataon’ny rantsantanany;
9
Koa hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; nefa aza mamela ny helony Ianao!
10
Midira ao amin’ny vatolampy ary miere ao amin’ny vovoka noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
11
Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika; fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
12
Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny,
13
dia ny sedera rehetra any Libanona izay avo sady manerinerina, ny hazo oaka rehetra any Basana,
14
ny tendrombohitra avo rehetra, ny havoana manerinerina,
15
ny tilikambo fiambenana miringiringy rehetra, ny manda mafy rehetra,
16
ny sambon’i Tarsisy rehetra ary ny taozavatra tsara tarehy rehetra.
17
Hatao mitanondrika ny fireharehan’ny zanak’olombelona, ary ny fiavonavonan’ny olona dia haetry; Fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
18
Ny andriamanitra tsy izy dia ho foana avokoa.
19
Hiditra any amin’ny zohy ao amin’ny lavabato sy any amin’ny lavaka feno vovoka ny olona noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20
Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny ramanavy ny andriamanitra volafotsiny sy ny andriamanitra volamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany;
21
hiditra amin’ny triatra amin’ny vatolampy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy, noho ny tahotra NY TOMPO sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
22
Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona, fofonaina ihany no eo am-bavorony, koa zinona moa izy?
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66