bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 59
Isaiah 59
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
1
Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare.
2
Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.
3
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsantananareo amin’ny heloka; miteny lainga ny molotrareo, ary mibedibedy faharatsiam-panahy ny lelanareo.
4
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra eo amin’ny fitsarana araka izay tena izy; matoky ny misavorovoro sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka loza.
5
Mikotrika atodin’ny menarana izy ary manenona tranon-kala. Ho faty izay homana ny atodin’ireny, fa raha vakina iny dia menarana no miporitsaka avy ao.
6
Ny tranon-kalany dia tsy azo atao fitafiana, ary tsy mahatafy azy ny asany; ny asany dia asa mampahory, ary herisetra no eny an-tanany.
7
Ny tongony dia miriotra ho amin’ny ratsy sy milomay handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany.
8
Tsy fantany ny lalan’ny fiadanana ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; nataony miolakolaka ny lalany, koa na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
9
Noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary tsy mahatratra antsika ny fahamarinana; miandry ny mazava isika nefa indro ny maizina, ary miandry ny fahazavana nefa mbola ao amin’ny haizim-pito ihany no andehanantsika.
10
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty.
11
Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany!
12
Fa betsaka eo anatrehanao ny fikomianay ary miampanga anay ny fahotanay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay ary fantatray ny helokay:
13
Fikomiana sy fandavana NY TOMPO, fialana amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, teny mampahory sy fikomiana, famoronana sy famoahana teny lainga avy ao am-po.
14
Mihemotra ny rariny ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po.
15
Eny, tsy eo ny fahamarinana ary izay mifady ny ratsy dia manolo-tena hobaboin’ny sasany. Hitan’NY TOMPO ny tsy fisian’ny rariny ka tsy nankasitrahany izany.
16
Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17
Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
18
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony ary famaliana ho an’ny rafiny; ny nosy dia hovaliany tokoa araka ny nataony avy.
19
Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO.
20
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, ho amin’ny taranak’i Jakoba izay miverina avy amin’ny fikomiany, hoy NY TOMPO.
21
Raha Izaho dia izao no fanekeko aminy, hoy NY TOMPO: Ny Fanahiko izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy NY TOMPO.
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66