bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 65
Isaiah 65
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 64
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 66 →
1
Notadiavin’izay tsy naniry Aho ary hitan’izay tsy nitady; hoy Aho tamin’ny firenena izay tsy niantso ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2
Nanatsotra hatrany ny tanako Aho tamin’ny firenena mpikomy izay mandeha amin’ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3
firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky;
4
mipetraka any amin’ny fasana izy ary mitoetra mandritra ny alina any am-pierena sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron-kena maloto no ao amin’ny loviany.
5
Hoy izy: Mihataha fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina fa tsy ianao. Ireny dia setroka ao am-bavoroko; eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6
Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo; eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
7
ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy NY TOMPO, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra, ary nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; eny, hamatra ny valin’ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8
Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana fa misy fitahiana ao anatiny! Dia toy izany no hataoko noho ny amin’ireo mpanompoko ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9
Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho, ary mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda; ireo voafidiko no handova azy; eny, ireo mpanompoko no honina ao.
10
Ho tonga fiandrasana ondry i Saròna, ary ho fandrian’omby ny lohasahan’i Akora, ho an’ny oloko izay nitady Ahy.
11
Fa ny aminareo izay mahafoy NY TOMPO sy manadino ny tendrombohitro masina sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ,
12
dia hotendreko ho voan’ny sabatra ianareo ka hahohoka hovonoina avokoa, satria niantso Aho nefa tsy namaly ianareo, niteny Aho nefa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy teo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13
Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho mosarena; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho main-tenda; indro, hifaly ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia hitsanga-menatra;
14
indro, hihoby ny mpanompoko noho ny haravoan’ny fo, fa ianareo kosa dia hitoloko noho ny alahelom-po, ary hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
15
Hamela ny anaranareo ho fanozonana amin’ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao NY TOMPO Andriamanitra. Fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
16
koa izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha sady voafina izany ka tsy hitan’ny masoko.
17
Fa indro Aho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao; tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho tonga ao an-tsaina akory aza.
18
Fa mifalia kosa, ary miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
19
Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho ary ho ravoravo amin’ny oloko; tsy ho re any intsony ny feo mitomany sy ny feo mitaraina.
20
Ary tsy hisy ao intsony ny zaza minono fohy andro, ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona.
21
Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
22
Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany.
23
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka. Fa taranak’izay notahin’NY TOMPO ireo, ary ho ao aminy koa ny taranany.
24
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; ary raha mbola miteny izy dia hihaino Aho.
25
Hiara-komana ny amboadia sy ny zanak’ondry, ary hihina-mololo tahaka ny omby ny liona, ary ny menarana dia vovoka no ho fihinany; tsy handratra na hanimba manerana ny tendrombohitro masina izy, hoy NY TOMPO.
← Chapter 64
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 66 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66