bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 41
Isaiah 41
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 42 →
1
Mangìna ianareo hihaino Ahy, ry nosy! Ary aoka hanavao ny heriny ny firenena; aoka hanatona izy ka hiteny! Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana.
2
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra?
3
Manenjika ireo izy ka mihoatra azy soa amantsara any amin’izay lalana tsy mbola nodiavin’ny tongony.
4
Iza moa no nanao sy nahavita izany? Ilay miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha. Izaho TOMPO no voalohany, ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
5
Nahita ny nosy ka raiki-tahotra. Toran-kovitra ny vazan-tany. Dia nanatona izy ireo ka tonga.
6
Samy manampy ny namany avy izy rehetra, ary samy milaza amin’ny rahalahiny avy hoe: Mahereza!
7
Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona.
8
Fa ianao kosa, ry Israely mpanompoko, ry Jakoba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako!
9
Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako!
10
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
11
Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao; ho tonga tsinontsinona izy; eny, ho levona izay miady aminao.
12
Hotadiavinao izay mifanditra aminao fa tsy ho hitanao; ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
13
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
14
Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Israely olom-bitsy; Izaho no hamonjy anao, hoy NY TOMPO, Izaho Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao.
15
Indro, ataoko ragiragy vaovao misy nify maranitra ianao; hanosihosy ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
16
Hikororoka azy ianao ka hopaohin’ny rivotra izy, ary hanely azy ny tafio-drivotra. Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’NY TOMPO, ary ny Iray Masin’ny Israely no ho reharehanao.
17
Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;
18
Hampiboiboika renirano eny an-tampon-tanety mangadihady Aho, ary loharano eny afovoan’ny lohasaha; hataoko tonga farihy ny tany efitra ary ny tany karankaina ho loharano miboiboika;
19
Hampaniry hazo sedera sy akasia, sy rotra ary oliva any an-tany efitra Aho, ary ny kipreso sy hazo kesika ary kirihitra dia hampiarahina eny amin’ny tany ngazana,
20
mba ho hitan’izy ireo sy ho fantany, ary hoheveriny sy ho azony an-tsaina fa ny tanan’NY TOMPO no nanao izany, ary ny Iray Masin’ny Israely no nahary azy.
21
Alaharo eto ny teninareo, hoy NY TOMPO; asehoy izay fiarovan-tenanareo, hoy ny Mpanjakan’i Jakoba.
22
Aoka hanatona izy. Aoka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy, nanao ahoana ny zavatra taloha, mba hosaininay ka ho fantatray izay hiafarany; na mba ilazao koa izay zavatra ho avy izahay.
23
Ambarao anay izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; eny, manaova soa na manaova ratsy, mba hitaha isika ka hiaraha-mahita.
24
Indro, tena tsinontsinona ianareo, ary ny asanareo dia tena naman’ny zava-poana; fahavetavetana ny nifidianana anareo.
25
Nanaitra olona iray avy tany avaratra Aho ka tonga izy. Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hiantsoany ny anarako; hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy fotaka izy, tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
26
Iza no nanambara izany hatramin’ny voalohany, mba ho fantatray dieny mialoha ka hataonay hoe: Marina izany! Tsy nisy nanambara; eny, tsy nisy nilaza ary tsy nisy nandre ny teninareo.
27
Izaho no voalohany izay milaza amin’i Ziona hoe: Indreo izy! Manome mpitondra teny soa mahafaly ho an’i Jerosalema Aho.
28
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy na iza na iza; eny, tsy nisy mpanolotsaina tamin’izy ireo ka tsy misy afaka hamaly Ahy raha manontany azy Aho!
29
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivotra sy zava-poana ny sampiny voarendrika.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66