bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 28
Isaiah 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 29 →
1
Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny olona mamon-divay.
2
Indro ny Tompo manana izay mahery sy matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; tahaka ny fandriaky ny ranobe manafotra, no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany.
3
Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra izay reharehan’ny mpimamo ao Efraima;
4
ary ny voninkazo mihamalazo amin’ny firavany tsara tarehy izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fotoana, alohan’ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mandray, ary raha vao raisiny dia arapany.
5
Amin’izany andro izany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa.
6
Ho fanahy fitsarana ho an’izay mipetraka eo amin’ny fitsarana Izy, sady ho hery ho an’izay mampihemotra ny ady izay tonga eo am-bavahady.
7
Nefa izy ireo dia fanimpanina azon’ny divay, ary mivembena azon’ny toaka; fanimpanina azon’ny toaka ny mpisorona sy ny mpaminany; resin’ny divay ireo, mivembena azon’ny toaka; fanimpanina amin’ny fahitana izy ary miroaroa saina ny amin’ny didim-pitsarana avoakany.
8
Feno loa sy loto ny latabatra rehetra ka tsy misy madio hitoerana intsony.
9
Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hanazavany lesona? Zaza vao nosaraha-nono va? Zaza vao nitsaha-ninono va?
10
Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa.
11
Hay, amin’ny molotra miambakavaka sy amin’ny teny vahiny no hitenenany amin’ity firenena ity.
12
Izy ilay nilaza taminy hoe: Izao no fitsaharana! Ampitsaharo ny reraka! Izao no fotoana hialan-tsasatra! Nefa tsy nety nihaino ireo.
13
Ary ho azy ireo, ny tenin’NY TOMPO dia hoe: Didy anampy didy aminy tokoa; eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; ampiana teny kely etsy, ampiana teny kely eroa, dia ho solafaka izy rehefa mandeha ka ho torotoro sy ho voafandrika ary ho voasambotra.
14
Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpaniratsira, ianareo izay mitondra ity firenena eto Jerosalema ity!
15
Satria miteny ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fitoeran’ny maty; koa na dia ho avy aza ny loza manafotra dia tsy hihatra aminay izany, satria ny lainga no nataonay ho fialofana ary ny fitaka no ho fierena.
16
Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro Izaho no nametraka vato ao Ziona, vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy ka tsy mba ho taitra izay mitoky aminy.
17
Ny fitsarana marina no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana no ho fandrefesana marindrano; hopaohin’ny havandra ny lainga fialofana, ary hindaosin’ny rano ny fierena.
18
Hofoanana ny fifanekenareo amin’ny fahafatesana ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ny fitoeran’ny maty; rehefa ho avy ny loza manafotra dia hohitsakitsahany ianareo.
19
Ary na oviana na oviana no hiaviany dia hahatratra anareo izany; fa isa-maraina no hiaviany, amin’ny andro sy amin’ny alina koa; ary ny vokatry ny fandrenesana izany dia horohoro lehibe.
20
Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ny olona iamparana; ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te hirakotra azy.
21
Fa NY TOMPO hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy mba hanaovany ny asany, dia ny asany mahagaga, mba hahavitany ny ataony, dia ny ataony izay mahatalanjona.
22
Koa aza maniratsira intsony ianareo, fandrao vao mainka ho mafy ny famatorana anareo. Fa fahafonganana no voatendry hamelezana ny tany rehetra; izany no reko tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
23
Atongilano ny sofinareo ka henoy ny feoko! Tandremo ka mihainoa ny teniko!
24
Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy mandrakariva? Miasa sy mandravona ny taniny mandrakariva va izy?
25
Fa rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’izay va ny voan’ny nigela ary tsy apariakany va ny komina, tsy alahany mitandahatra tsara va ny varimbazaha sy ny varimbazaha hafa amin’ny tany voafaritra ho azy ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
26
Andriamaniny no manoro azy izay tokony hataony; eny, Izy no mampianatra azy.
27
Fa tsy ny ragiragy vy no anosihosena ny nigela, ary tsy ny kodiaran’ny sarety no akodiadia amin’ny komina; fa ny nigela dia hosihosena amin’ny tsorakazo, ary ny komina amin’ny tehina.
28
Torotoroina ny vary hatao mofo fa tsy hosena tsy an-kijanona akory izany; raha ampandehanana ny kodiaran’ny sarety sy hosen’ny soavaly izy dia tsy ho torotoro.
29
Izany koa dia avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; fa mahagaga amin’ny fikasany Izy, ary mahatalanjona amin’ny fahendreny!
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66