bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 57
Isaiah 57
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 56
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 58 →
1
Maty ny marina nefa tsy misy misaina izany; alevina ny olona tsara fanahy nefa tsy misy mihevitra, fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.
2
Miditra amin’ny fiadanana ary mandry amin’ny fandrianany izay olona mizotra amin’ny lalana mahitsy.
3
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga!
4
Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fikomiana va ianareo sady taranaky ny lainga?
5
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.
6
Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao; eny, ireny ihany no anjaranao; Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo; koa hahatsindry fo amin’izany va Aho?
7
Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandriananao ka teny no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
8
Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy.
9
Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo ka nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nandefa ny irakao hatrany lavitra any ianao, ary nietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty.
10
Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa tsy niteny ianao hoe: Kivy aho izany! Nahazo aina ihany ianao ka tsy nahatsiaro reraka.
11
Iza ary no nahìnao sy natahoranao no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro Ahy na nisaina akory? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Fa tsy matahotra Ahy ianao.
12
Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
13
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14
Hilaza Izy hoe: Mandehana; eny, mandehana ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko!
15
Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.
16
Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay, fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny fofonaina izay nataoko.
17
Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.
18
Efa nahita ny lalany Aho nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy.
19
Izaho no mahary ny vokatry ny molotra. Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky, hoy NY TOMPO! Hahasitrana azy Aho!
20
Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara; eny, tsy mety tafatoetra izy ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
21
Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
← Chapter 56
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 58 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66