bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 23
Isaiah 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
1
Ny loza hanjo an’i Tiro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava izy! Tsy misy trano intsony! Tsy misy fidirana intsony! Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambaràna izany taminy.
2
Mangìna ianareo mponina amin’ny nosy izay efa nofenoin’ny mpivaro-mandeha avy any Sidona harena tamin’ny fitetezany ranomasina!
3
Teny amin’ny ranobe ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily ka nampiditra harena ho azy izy; ary tonga tsenan’ny firenena izy.
4
Aoka ho menatra ianao, ry Sidona! Fa hoy ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina hoe: Tsy nihetsi-jaza aho, tsy niteraka aho, tsy nitaiza zatovo aho na namelona virijiny.
5
Rehefa re tany Ejipta izany dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tiro.
6
Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina any amoron-tsiraka.
7
Ity va ilay tanànanareo niravoravo? Hatry ny fahagola no efa niorenany sady noentin’ny tongony hivahiny lavitra izy.
8
Iza no nikasa izany mba hamelezana an’i Tiro, ilay mpanome satroboninahitra, nefa ny mpivaro-mandeha tao aminy dia mpanapaka, ary olona fanta-daza ny mpivarotra ao aminy.
9
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonany noho ny hatsaran-tarehy rehetra, sy hanalany ny voninahitr’izay rehetra ankalazaina amin’ny tany.
10
Aoka hiely manerana ny taninao tahaka an’i Neily ianao, ry Tarsisy zanakavavy, fa tsy misy intsony ny zioga!
11
Natsotrany teo ambonin’ny ranomasina ny tanan’NY TOMPO; nampihorohoroiny ny fanjakana; NY TOMPO efa nandidy ny amin’i Kanana mba handravana ireo mandany mafy orina.
12
Hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry Sidona zanakavavy, virijiny afa-baraka! Miaingà ianao ka mità ho any Kitima! Kanefa na dia any aza dia tsy hahita fitsaharana akory ianao.
13
Indro ny tanin’ny Kaldeana, izay tsy firenena akory fahiny; fa ny Asiriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-tany efitra; manangana tilikambo fiambenana izy ary mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ka mampody azy ho korontam-bato.
14
Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava ny mandanareo!
15
Amin’izany andro izany dia hohadinoina mandritra ny fitopolo taona i Tiro, toy ny andron’ny mpanjaka iray. Rehefa afaka fitopolo taona dia hiharan’ilay tononkalo momba ny vehivavy janga i Tiro hoe:
16
Makà lokanga ka miveziveze manerana ny tanàna ianao, ry Ikala janga hadino! Mitendre tsara ka mahereza mihira mba hahatsiarovana anao!
17
Rehefa afaka fitopolo taona dia hamangy an’i Tiro NY TOMPO ka hiverina amin’ny filan-karama maloto izy sady hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra etỳ ambonin’ny tany.
18
Ary ny tombom-barony sy ny karama maloto azony dia hohamasinina ho an’NY TOMPO; tsy hotahirizina na horaketina izany fa ny tombom-barony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’NY TOMPO, ho hani-mahavoky sy ho fitafiana mirenty.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66