bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 33
Isaiah 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
1
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao; ry ilay mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra tsy mandrava intsony ianao dia mba horavana kosa; ary rehefa mitsahatra tsy mamitaka intsony ianao dia mba hofitahina kosa.
2
TOMPO ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka ho herinay isa-maraina Ianao ary ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana!
3
Ny feon’ny fitabatabana no mampandositra ny vahoaka; raha misandratra Ianao dia miparitaka ireo firenena.
4
Hangonina tahaka ny fanangona valala ny babonareo, tahaka ny firohotana eo amin’ny sompanga no hirohotana eo aminy.
5
Manerinerina NY TOMPO satria mitoetra any amin’ny avo Izy; nofenoiny rariny sy fahamarinana i Ziona.
6
Tsy hanam-piovana ny andronao; harena mahavonjy ny fahendrena sy ny fahalalana; ny fahatahorana NY TOMPO no harenany amin’izany.
7
Indreo misy lehilahy mahery mitaraina eny ivelany; ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8
Foana ny lalambe; tsy misy mpandeha intsony ny sakeli-dalana; nofoanany ny fanekena; nohamavoiny ny tanàna; tsy nanaja olona izy.
9
Misaona ny tany ka milofika; menatra i Libanona ka malazo; tonga tahaka ny tany ngazana i Saròna, ary manintsan-dravina i Basana sy i Karmela.
10
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy NY TOMPO; ankehitriny dia hijoro Aho; ankehitriny dia hisandratra Aho.
11
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka mololo; ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
12
Ny firenena dia ho tahaka ny fandoroan-tsokay; eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ny afo izy.
13
Mihainoa ny amin’izay efa nataoko, ianareo izay lavitra! Ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky!
14
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; horohoro no nahazo ny ratsy fanahy: Iza amintsika no hahatoetra ao amin’ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra ao amin’ny lelafo tsy mety maty?
15
Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16
izy no honina any amin’ny avo; any amin’ny harambato ny fiarovany tena; izay hohaniny dia homena azy ary azo antoka ny rano hosotroiny.
17
Ny masonao dia hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18
Hotsaroanao ilay nampahatahotra anao: Aiza ny mpitantsoratra? Aiza ny mpamory hetra? Aiza ny mpanisa ny tilikambo fiambenana?
19
Tsy ho hitanao intsony ny firenena misetrasetra, dia ireo olona miboredidredi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela miakanakana ka tsy azo.
20
Tsinjovy i Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny andro firavoravoana! Ny masonao dia hahita an’i Jerosalema, fonenana mandry fehizay, tranolay izay tsy hafindra intsony, tsy hongotana intsony mandrakizay ny tsatokan-dainy, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21
Fa any tokoa dia mahery ho antsika NY TOMPO. Tany misy ony sy lakandrano lehibe no any; tsy halehan’ny sambo voizina izany, na hovakivakin’ny sambo lehibe.
22
Fa NY TOMPO no Mpitsara antsika; NY TOMPO no Mpanome lalàna ho antsika; NY TOMPO no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23
Mivaha ny mahazakan-tsambonao; tsy mahahazona mafy ny fiorenan’andry izy, na mahavelatra ny lay. Fa amin’izay kosa dia hozaraina ny zavatra betsaka voababo; na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany;
24
tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho! Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66