bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 9
Isaiah 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 10 →
1
Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana no amirapiratan’ny mazava.
2
Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.
3
Fa ny bao fitondrany entana sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny, izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midianita.
4
Fa ny kiraron’izay mivatravatra fandeha amin’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodorana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.
5
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fahefana dia eo an-tsorony; ny anarany atao hoe Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana.
6
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
7
Mandefa teny ho an’i Jakoba ny Tompo ka mihatra amin’ny Israely izany.
8
Ho fantatr’izy iray firenena izany, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony hoe:
9
Biriky no efa nirodana fa vato voapaika kosa no harafitsika; aviavy no voakapa fa sedera kosa no hasolontsika azy.
10
Manandratra ny rafilahin’i Rezina hihoatra azy NY TOMPO ary mampirisika ny fahavalony,
11
dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; misanasana vava handrapaka ny Israely ireo. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
12
Tsy miverina amin’Izay mamely azy ny olona; eny, tsy mba tadiaviny Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
13
Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.
14
Ny loholona sy ny olo-manankaja no loha, ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo.
15
Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, ary izay tarihiny dia voatelina.
16
Noho izany dia tsy mahafaly NY TOMPO ny zatovony, ary tsy iantrany ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy satria samy tsy mino sy mpanao ratsy izy, ary milaza hadalana ny vava rehetra. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
17
Fa mandoro tahaka ny afo ny haratsiam-panahy, mandevona ny tsilo sy ny anjavidy ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina ny setroka misavoana.
18
Noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia kilan’ny afo ny tany, ary tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo ny olona. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny.
19
Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.
20
Eny, mihinana an’i Efraima i Manase ary mihinana an’i Manase kosa i Efraima; miara-mamely an’i Joda izy roa tonta. Kanefa na izany rehetra izany aza tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66