bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 58
Isaiah 58
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 57
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 59 →
1
Ezaho mafy ny antsonao fa aza atao moramora! Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany!
2
Mitady Ahy isanandro isanandro izy, ary ny hahalala ny lalako no sitrany, tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny; manontany Amiko ny fitsipiky ny fahamarinana izy ary maniry hanakaiky an’Andriamanitra.
3
Nahoana izahay no mifady hoy izy nefa tsy hitanao? Nahoana izahay no mampahory ny tenanay nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia mbola ampahorinareo.
4
Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ny ifadianareo ary ny hamely amin’ny totohondrin’ny faharatsiana; izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ny avo.
5
Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako, dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandrianany va? Moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’NY TOMPO?
6
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, ny hanaboraka ny fehin’ny zioga, ny handefa ny ampahorina ho afaka ary ny hanapatapaka ny zioga rehetra?
7
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
8
Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.
9
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
10
ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.
11
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
12
Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, hamboarinao ny naorina hatry ny fony fahagola; ary ianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
13
Raha miaro ny tongotrao amin’ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina, ary miantso ny Sabata hoe Fahafinaretana ary nohamasinin’NY TOMPO ka Mendrika hohajaina, sady manome voninahitra azy ka tsy mandeha amin’ny lalanao, na manao izay tianao na miteniteny foana,
14
dia hiravoravo amin’NY TOMPO ianao, ary hasandratro eny amin’ny havoana amin’ny tany ianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao, fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.
← Chapter 57
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 59 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66