bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 14
Isaiah 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 15 →
1
Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy.
2
Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.
3
Koa amin’ny andro hanomezan’NY TOMPO fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao
4
dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe: Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory! Tsy ao intsony ilay mpampijaly!
5
NY TOMPO efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehim-pahefan’ny mpanapaka
6
izay namely firenena tamin-katezerana, tamin’ny kapoka tsy nanam-pitsaharana sady nampanompo firenena tamin’ny fahavinirana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.
7
Miadana ka mandry fehizay ny tany manontolo; velominy ao ny hoby.
8
Eny, ny hazo kipreso sy ny sedera any Libanona dia hifaly ny aminao hoe: Hatrizay nahalavo anao izay dia tsy misy mpikapa hazo miakatra atỳ aminay intsony.
9
Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra.
10
Dia samy hiteny aminao izy rehetra hoe: Hay ianao koa mba osa tahaka anay, efa tonga tahaka anay ianao!
11
Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
12
Endre! Nilatsaka avy tany an-danitra ianao, ry kintana fitarikandro, zanaky ny maraina! Voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpampanaiky firenena!
13
Niteny anakampo ianao hoe: Hiakatra any an-danitra aho, ary hasandratro ho ambonin’ny kintan’Andriamanitra ny sezafiandrianako; dia hipetraka eo amin’ny tendrombohitra Fihaonana any amin’ny farany avaratra aho;
14
hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra.
15
Kanjo hampidinina hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao, ho any am-parany lalina amin’ny lavaka mangitsokitsoka.
16
Hibanjina anao izay mahita anao ka hihevitra anao hoe: Moa ity va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
17
ary nanao izao tontolo izao ho tany efitra sy nandrava ny tanànany ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
18
Ny mpanjakan’ny firenena rehetra dia samy mandry amin’ny voninahitra avokoa, samy ao am-pasany avy.
19
Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ny fatin’ny voavono, dia ireo voatrabaky ny sabatra ka nampidinina ho ao amin’ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra.
20
Tsy halevina miaraka amin’ireny ianao satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
21
Omàny ny famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany! Aoka izy tsy hitsangana haka ny tany indray ka hanorina tanàna manerana an’izao tontolo izao.
22
Fa hitsangana hamely azy Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Hofoanako ny anaran’i Babilona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany, hoy NY TOMPO.
23
Hataoko fonenan’ny sokina sy ho honahona izy ary hofafako amin’ny kifafa fandringanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
24
Nianiana Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy:
25
Hanorotoro ny Asiriana ao amin’ny taniko Aho ary hanitsakitsaka azy eny amin’ny tendrombohitro; ny ziogany dia hesorina amin’ireo ary ny entany dia ho afaka amin’ny sorony.
26
Izany no fikasana ny amin’ny tany rehetra ary izany no tanana miainga hamely ny firenena rehetra.
27
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no efa nikasa, koa iza indray no hahafoana izany? Miainga ny tanany ka iza no hampihemotra izany?
28
Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
29
Aza mifaly, ry tanin’ny Filistina manontolo, satria hoe tapaka ny tsorakazo namely anao! Fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hiavian’ny menarana, ary ny aterany dia ho tonga dragona manidina.
30
Dia mba hihinana ny fadiranovana indrindra, ary handry fehizay ny mahantra; fa hataoko maty mosary kosa izay sisa tavela aminao; eny, hovonoina ho faty izay tavela aminao.
31
Midradradradrà, ry vavahady! Mitolokoa, ry tanàna! Aoka ho ketraka ianao ry tanin’ny Filistina manontolo! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany.
32
Inona moa no havaly ny irak’io firenena io? Izao: NY TOMPO efa nanorina an’i Ziona, ary ao no hialofan’izay olony ory.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66