bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 8
Isaiah 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 9 →
1
Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!
2
Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia.
3
Nanakaiky ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-Salala-Hasy-Baza.
4
Satria raha tsy mbola mahatonona hoe: Dada! Neny! Io zazalahy io dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny harenan’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.
5
Mbola niteny tamiko indray NY TOMPO hoe:
6
Satria mandà ny rano Siloa izay misononoka ity firenena ity ary mifaly amin’i Rezina sy ny zanak’i Remalia
7
dia indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny ranobe manonja amin’ny ony Eofrata, dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny voninahiny rehetra. Ho tondraka ny renirano ary hihoarany ny morony rehetra;
8
dia hiriotra mafy izy ka hipaoka ny Joda ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany mandra-pahatongany havozona. Ary ny fivelatry ny elany dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô!
9
Mangovita ianareo, ry firenena ô, fa mbola ho ringana ianareo! Mihainoa tsara, ry tany lavitra rehetra! Misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana ihany! Eny, misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana tanteraka.
10
Makà saina ianareo hanaovana vinavinan’asa, nefa hofoanana izany! Milazà teny iray; fa tsy ho tanteraka tsy akory izany! Fa aminay Andriamanitra.
11
Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko raha nihazona ahy mafy ny tanany ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho:
12
Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana; aza matahotra izay atahorany ianareo na mangorohoro noho ny aminy.
13
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hamasino; Izy ihany no tokony hatahoranareo, ary Izy ihany no tokony hampangovitra anareo.
14
Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa ho an’ny firenena roa amin’ny Israely, sady ho fandrika sy tonta ho an’ny mponin’i Jerosalema.
15
Maro no ho tafintohina Aminy sady ho lavo sy ho torotoro ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16
Tehirizo ny teny vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.
17
Hiandry NY TOMPO izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba aho; hanantena Azy ihany aho.
18
Indreto izaho sy ireo zaza nomen’NY TOMPO ahy, fambara sy fahagagana ao amin’ny Israely avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay monina ao amin’ny tendrombohitra Ziona.
19
Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?
20
Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy dia ho olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.
21
Hivezivezy amin’ny tany amin’ny fahantrana sy ny mosary ny olona; ary rehefa mosarena izy dia ho sosotra ka hanozona ny Mpanjakany sy Andriamaniny ary hiandrandra izy.
22
Hijery ny tany izy avy eo ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary tebiteby mampanjombona no eo; ary horoahina ho any amin’ny haizim-pito izy.
23
Tsy hanjombona mandrakariva anefa ilay efa niharam-pahoriana. Taloha dia natao tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana, dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66