bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 17
Isaiah 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 18 →
1
Ny loza hanjo an’i Damaskosy. Indro, rava tsy ho tanàna intsony i Damaskosy; eny, tonga korontam-bato izy sisa.
2
Lao ny tanànan’i Aroera ka ho an’ny andian’ny ondry aman’osy; handry ao ireo ka tsy hisy hanaitaitra azy.
3
Tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy na izay sisa amin’i Arama. Hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Israely izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
4
Amin’izany andro izany dia hihena ny voninahitr’i Jakoba ary ho lasa ny hataviny.
5
Ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany ka jinjain’ny sandriny ny salohim-bary; eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny lohasahan’ny Refaìta.
6
Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy, tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva, hisy voany roa na telo eny an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
7
Amin’izany andro izany dia hitodika amin’ny Mpanao azy ny olona, ary hijery ny Iray Masin’ny Israely ny masony.
8
Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.
9
Amin’izany andro izany ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely, ka ho foana tanteraka ny tany.
10
Satria nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao, dia tsy nahatsiaro ny Vatolampy fiarovana mafy ho anao. Noho izany dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-kazo avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo;
11
tamin’ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo izy, ary nony maraina dia nitsimoka ilay nambolenao. Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andron’ny fahoriana ary tsy ho azo sitranina ny fanaintainana.
12
Loza! Ny fihahohahon’ny firenena maro izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina; ny firohondrohon’ny olona marobe tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja!
13
Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny ranobe ny firenena kanefa hotezerana mafy izy ka handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.
14
Raha hariva ny andro dia injao, fampihorohoroana; kanefa raha tsy mbola maraina akory aza dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’izay mamabo antsika sy tambin’izay mandroba antsika.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66