bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 45
Isaiah 45
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 46 →
1
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy izay notantanako tamin’ny tanany havanana mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
2
Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
3
dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely.
4
Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
5
Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; efa nampisikina anao Aho, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
6
mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa,
7
dia Izaho izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.
8
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana! Aoka ny tany hisokatra mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena, aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho TOMPO no efa nahatonga izany.
9
Lozan’izay miady amin’ny namorona azy, tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy!
10
Lozan’izay miteny amin’ny ray hoe: Inona no aterakao? Na amin’ny reny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?
11
Izao no lazain’NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely, dia ny namorona azy: Ny zavatra ho avy va no anontaniana Amiko? Ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
12
Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
13
Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana ary haravoko avokoa ny lalany rehetra; izy no hanangana ny tanànako ary havelany handeha ny oloko voababo, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
14
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny vokatry ny fisasaran’i Ejipta sy ny tombom-barotr’i Kosy sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, dia hafindra ao aminao ka ho anao. Dia hanaraka ao aoriananao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka eo anatrehanao sady hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, zava-poana ireo andriamanitra tsy izy!
15
Marina tokoa fa Ianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Israely sady Mpamonjy ô!
16
Hitsanga-menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra hivavahana.
17
Fa hahazo famonjena mandrakizay avy amin’NY TOMPO kosa ny Israely. Tsy hitsanga-menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
18
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
19
Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
20
Mivoria ka avia ary miaraha manatona, ianareo Jentilisa sisa afaka! Tsy manam-pahalalana ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.
21
Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
22
Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
23
Ny tenako no nianianako, ny vavako no ivoahan’ny fahamarinana, teny tsy hiverina foana izany, dia ny hoe: Izaho no handohalehan’ny lohalika rehetra sy hianianan’ny lela rehetra hoe:
24
Ao amin’NY TOMPO ihany no voalaza fa misy fahamarinana sy hery; ka Izy ihany no hohatonin’ny olona amin-kenatra, dia ireo rehetra tezitra Aminy.
25
Ao amin’NY TOMPO no hanamarinana ny taranak’Israely rehetra sy hananany rehareha.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66