bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 25
Isaiah 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 26 →
1
TOMPO ô, Andriamanitro Ianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa nahavita zava-mahagaga Ianao, zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady azo antoka no mafy orina.
2
Fa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ilay tanàna mimanda dia tena rava tanteraka; ny lapan’ny hafa firenena dia tsy hita tao an-tanàna intsony; tsy hatsangana mandrakizay intsony ireo.
3
Noho izany dia hankalaza Anao ny firenena matanjaka, hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena mpampihorohoro.
4
Fa fiarovana mafy ho an’ny reraka Ianao; eny, fiarovana mafy ho an’ny mahantra ao amin’ny fahoriany, fialofana amin’ny oram-batravatra, alokaloka amin’ny hainandro; fa ny fahatezeran’ny mpampihorohoro dia tahaka ny orana mivatravatra mamely ny rindrina.
5
Tahaka ny fandresenao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban’ny firenena hafa; eny, tahaka ny hainandro resin’ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran’ny mpampihorohoro.
6
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
7
Eto amin’ity tendrombohitra ity no hanafoanany ny sarona izay manakona ny olona rehetra sy ny rakotra izay mandrakotra ny firenena rehetra;
8
hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
9
Holazaina amin’izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika izay nantenaintsika hamonjy antsika. Indro NY TOMPO izay nandrasantsika, koa aoka isika hifaly sady hiravoravo amin’ny famonjeny!
10
Fa mipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’NY TOMPO; ary hohosihosena ao amin’izay misy azy i Moaba, tahaka ny fanosihosy ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra;
11
hamelatra ny tanany ao anatin’izany izy, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; fa NY TOMPO kosa mampietry ny fiavonavonany sy ny fahamailamailaky ny tanany.
12
Harodany sy haetriny ny mandanao mafy sy avo ka hataony mikasika amin’ny tany sy mihosom-bovoka.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66