bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 22
Isaiah 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 23 →
1
Ny loza hanjo ny Lohasahan’ny Fahitana. Nahoana re ianao no niakatra niaraka tamin’ny olonao rehetra ho eny an- tampon-trano,
2
ry tanàna be horakoraka sy be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady.
3
Miara-mandositra ny mpitondra anao; afatotry ny mpandefa zana-tsipìka izy. Izay olona rehetra hita tao aminao dia niaraka azo babo, na dia nitady handositra lavitra aza.
4
Koa izany no ilazako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomanin’alahelo aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko, zanakavavy.
5
Fa misy andron’ny horohoro sy fanosihosena ary fahaverezan-kevitra avy amin’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana: Rava ny manda, ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy.
6
Mitondra ny tranon-jana-tsipìka i Elama, manatona ny kalesy fitondra miady misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Manaisotra ny fonon’ampinga i Kira.
7
Feno kalesy fitondra miady ny lohasahanao tsara indrindra, milahatra eo am-bavahady ny mpitaingin-tsoavaly,
8
ary alany ny fisalobonan’i Joda. Amin’izany andro izany dia mijery ny fiadiana ao amin’ny Tranon’ny Ala ianao.
9
Hitanareo fa maro ny banga amin’ny Tanànan’i Davida; mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany ianareo;
10
isainareo ny trano any Jerosalema, ary ravanareo ny trano mba hanamafisanareo ny manda.
11
Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo halehan’ny rano avy amin’ny lavaka famorian-drano taloha. Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay namolavola azy hatry ny ela.
12
Amin’izany andro izany dia hiantso NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hiantso fitomaniana sy fitolokoana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana;
13
kanjo e izato hafaliana sy haravoravoana! Vonoina ny omby sy ondry aman’osy. Hanina ny hena ary sotroina ny divay: Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty!
14
Dia nambaran’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, teo an-tsofiko izao: Tsy hisy fanavotana ho an’izao helokareo izao ambara-pahafatinareo, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao.
15
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Andeha mankao amin’io mpiandraiki-draharaha io, dia i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao hoe:
16
Inona no ataonao atỳ, ary iza no havanao etỳ, no manao fasana etỳ ianao? Mandavaka ny fasanao eny an-kavoana ianao sy manamboatra fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato!
17
Indro NY TOMPO hanipy anao lavitra; eny, hogiazany mafy ianao,
18
dia hakodiany toy ny kodiarana ho any amin’ny tany malalaka; any no hahafaty anao ary ho any koa ireo kalesy fitondranao miady feno voninahitra, ry ilay henatry ny fianakavian’ny tomponao!
19
Horoahiko hiala amin’ny toeranao ianao, haongako hiala amin’ny raharahanao ianao
20
Amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa i Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;
21
hampanaoviko azy ny akanjonao sady hosikinako amin’ny fehikibonao izy ka hatolotro ho eo an-tanany ny fahefanao; dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’i Joda izy.
22
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, dia hamoha izy ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy ka tsy hisy hahavoha.
23
Hatsatoko toy ny fanantonan-javatra eo amin’ny toerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny fianakavian-drainy.
24
Hahantona eo aminy ny voninahitry ny fianakavian-drainy rehetra, dia ny sampany sy ny rantsany rehetra, ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samihafa rehetra.
25
Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hesorina ilay fanantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny toerana mafy; eny, hokapaina izany ka hianjera; dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa NY TOMPO no niteny.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66