bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 7
Isaiah 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
1
Tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia mpanjakan’ny Joda, no niakaran’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy afaka niady taminy izy.
2
Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Arameana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nihovotrovotra ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny fihovitrovitry ny hazo any an’ala raha asian’ny rivotra.
3
Ary hoy NY TOMPO tamin’Isaia: Mivoaha ianao sy i Seara-Iasoba zanakao hitsena an’i Ahaza eo amin’ny faran’ny lakandrano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba,
4
koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia.
5
Satria manam-pikasana hampidi-doza anao i Arama sy i Efraima ary ny zanak’i Remalia ka miteny hoe:
6
Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary haka azy ho antsika dia hanangana ny zanak’i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy ho tanteraka izany sady tsy hisy,
8
satria ny lohan’i Arama dia i Damaskosy, ary ny lohan’i Damaskosy dia i Rezina. Ary ao anatin’ny dimy amby enimpolo taona dia ho rava i Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony.
9
Ny lohan’i Efraima dia i Samaria, ary ny lohan’i Samaria dia ny zanak’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo dia tsy ho tafatoetra!
10
Mbola niteny tamin’i Ahaza ihany NY TOMPO hoe:
11
Mangataha famantarana avy amin’NY TOMPO Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina, any amin’ny fitoeran’ny maty, na avy any amin’ny avo, any ambony indrindra any.
12
Hoy anefa i Ahaza: Tsy hangataka aho, tsy haka fanahy NY TOMPO aho.
13
Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ry taranak’i Davida! Heverinareo ho zavatra kely foana va ny hanasatra ny olona no mbola hanasatra an’Andriamanitro koa ianareo?
14
Noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanana anaka ny virijiny ka hiteraka zazalahy; ny anarany hataony hoe Imanoela, izany hoe: Amintsika Andriamanitra.
15
Rehefa mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara ny zaza dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
16
Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17
NY TOMPO hahatonga aminao sy ny olonao ary ny fianakavian’ny rainao izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda. Ny mpanjakan’i Asiria izany.
18
Amin’izany andro izany, NY TOMPO hisiaka hiantso ny lalitra izay any amin’ny faran’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely izay any amin’ny tany Asiria;
19
dia ho avy ireo ka samy hipetraka any amin’ny lohasahan-driaka, eny an-tsefatsefaky ny harambato, eny amin’ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ny saha fiandrasana rehetra.
20
Amin’izany andro izany koa dia hoharatan’ny Tompo amin’ny hareza nofaina tany ampitan’ny ony Eofrata, miaraka amin’ny mpanjakan’i Asiria, ny loha sy ny volon-tongotra; ary hokakasany koa ny volombava.
21
Amin’izany andro izany dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona.
22
Ho be tokoa ny ronono azo avy amin’ireo ka hihinana rononomandry ny olona; rononomandry sy tantely no ho fihinan’ny olona sisa rehetra ao amin’ny tany.
23
Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela.
24
Zana-tsipìka sy tsipìka no hoentin’izay miditra ao satria rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra.
25
Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66