bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 51
Isaiah 51
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 52 →
1
Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.
2
Eny, tsarovy i Abrahama rainareo sy i Saraha izay niteraka anareo; fa fony mbola izy irery dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
3
Fa NY TOMPO mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny tany efitra ao ho tahaka an’i Edena, ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’NY TOMPO. Hafaliana sy haravoana no hita ao, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.
4
Mihainoa Ahy, ry vahoakako! Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko! Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko; ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5
Akaiky ny fahamarinako, efa hiseho ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; Izaho no antenain’ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
6
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ary jereo ny tany ambany. Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany; ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao, fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava.
7
Mihainoa Ahy ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao ry firenena izay manana ny lalànako ao am-ponao! Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona na manahy noho ny fanaratsiana ataony.
8
Fa hihinana azy tahaka ny fihinany ny lamba ny kalalao ary ny lolo fotsy dia hihinana azy tahaka ny fihinany ny volon’ondry; fa haharitra mandrakizay ny fahamarinako ary ny famonjeko dia hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby.
9
Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona?
10
Tsy Ianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny lalina lehibe ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ny olona navotana?
11
Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
12
Izaho dia Izaho no mampionona anareo. Koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty sy ny zanak’olona izay tahaka ny ahitra ny hanjo azy?
13
Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany! Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro noho ny fahatezeran’ny mpampahory rehefa mikendry hamono izy. Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?
14
Tsy ho ela dia ho afaka izay mitanondrika; tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
15
Fa Izaho TOMPO no Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina sy mampirohondrohona ny onjany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarako.
16
Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tanako no nanaronako anao, Hamelatra ny lanitra sy hanorina ny tany Aho, ary hiteny amin’i Ziona hoe: Oloko ianao!
17
Mifohaza, mifohaza ianao! Mitsangàna, ry Jerosalema ô, ianao izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ny tanan’NY TOMPO; eny, efa nisotro tamin’ny kapoaka mampiraikiraiky ianao ka notrohinao mbamin’ny faikany!
18
Tsy misy mitondra azy ny zanany lahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zanany lahy rehetra izay notezainy.
19
Izao zavatra roa izao no manjo anao: Iza no hampitony ny alahelonao? Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra. Koa hataoko ahoana no fampionona anao?
20
Reraka ny zanakao lahy ka midabodaboka eny an-joron-dalambe rehetra eny, tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato; eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao.
21
Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo, nefa tsy tamin-divay!
22
Izao no lazain’NY TOMPO, ny Tomponao? dia Andriamanitrao izay mandaha-teny hiaro ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny!
23
Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany, dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay! Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao; eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo.
← Chapter 50
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 52 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66