bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 38
Isaiah 38
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
1
Tamin’izany andro izany dia narary saika maty i Hezekia; ary nankao aminy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza, ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hafaro ny ankohonanao fa ho faty ianao fa tsy ho velona.
2
Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Hezekia ka nivavaka tamin’NY TOMPO.
3
Hoy izy: TOMPO ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko manontolo ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao! Dia nitomany mafy indrindra izy.
4
Dia tonga tamin’Isaia ny tenin’NY TOMPO hoe:
5
Mandehana lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa reko ny fitarainanao ary efa hitako ny ranomasonao. Indro, hampiako dimy amby folo taona ny andronao.
6
Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; hiaro ity tanàna ity Aho.
7
Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’NY TOMPO, hahalalanao fa NY TOMPO hanatanteraka izay zavatra nolazainy:
8
Indro, hampivereniko ambaratonga folo miaraka amin’ny masoandro ny aloka eo amin’ny famantaranandro aloka an’i Ahaza, eo amin’ilay efa nidinany iny. Dia niverina tokoa ny masoandro teo amin’ny ambaratonga folo izay efa nidinan’ny aloka.
9
Ny teny nosoratan’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny:
10
Hoy aho: Amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty. Nesorina tamiko ny androko sisa!
11
Hoy aho: Tsy mba hahita NY TOMPO intsony aho; eny, tsy mba hahita NY TOMPO ao amin’ny tanin’ny velona intsony aho; tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fitoeran’ny maty.
12
Nesorina ny fonenako ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny tranolain’ny mpiandry ondry; ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny kofehy mihazona azy izy. Indray andro monja no anaperanao ny aiko!
13
Nampangina ny foko aho mandra-paharain’ny andro; tahaka ny fanapatapaky ny liona taolana no anapatapahany ny taolako rehetra; indray andro monja no anaperanao ny aiko!
14
Mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Reraka miandrandra ny avo ny masoko, TOMPO ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Ianao!
15
Inona no holazaiko? Sady namaly ahy Izy no Izy ihany no nahatanteraka. Handeha am-panetren-tena aho amin’ny taonako sisa rehetra noho ny fahoriana mangidy mahazo ahy.
16
Tompo ô, ny fahatsaranao no mahavelona, ary amin’izany tokoa no iainan’ny fanahiko ka manasitrana sy mamelona ahy Ianao.
17
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy. Ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka mangitsokitsoka, fa narianao tao ivohonao ny fahotako rehetra.
18
Fa tsy mba mahasaotra Anao ny fitoeran’ny maty, tsy mba mahadera Anao ny fahafatesana; ary izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao intsony.
19
Ny velona, ny velona ihany no hidera Anao, tahaka ahy izao anio izao; hampahalala ny zanany ny fahamarinanao ny ray.
20
NY TOMPO efa namonjy ahy! Hitendry ny lokangako ao amin’ny tranon’NY TOMPO izahay amin’ny andro rehetra iainanay.
21
Dia hoy Isaia: Makà mofo aviavy ary apetaho amin’ny vay izany mba ho sitrana i Hezekia.
22
Ary hoy i Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho?
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66