bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 48
Isaiah 48
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 49 →
1
Mihainoa, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ny anaran’Israely sy avy amin’ny loharanon’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’NY TOMPO ary mahatsiaro ny anaran’Andriamanitry ny Israely, kanefa tsy araka ny marina na araka ny hitsiny!
2
Fa milaza ny tenany ho avy amin’ny tanàna masina izy ka miankina amin’Andriamanitry ny Israely; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
3
Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany.
4
Satria fantatro fa maditra ianao ka hoza-by ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
5
dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany; eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no nandidy izany.
6
Efa renao ka jereo izany rehetra izany! Moa tsy hanambara izany va ianareo? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
7
Vao izao no namoronana azy fa tsy hatramin’ny fahiny dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany, fandrao lazainao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany!
8
Fa tsy nandre ianao na nahalala na inona na inona; eny, hatramin’ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao. Fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady nantsoina hoe mpikomy hatrany an-kibo.
9
Noho ny anarako dia mampitony ny fahatezerako Aho; ary mba hiderana Ahy dia manindry fo ny aminao Aho mba tsy hamongorana anao.
10
Indro, nodioviko ianao nefa tsy toy ny volafotsy; nizaha toetra anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho.
11
Noho ny tenako; eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany. Indrisy, lotoina ny anarako! Ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa.
12
Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Israely izay nantsoiko! Izaho; eny, Izaho no voalohany ary Izaho koa no farany.
13
Ny tanako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; rehefa antsoiko ireo dia indray miseho avokoa.
14
Mivoria ianareo rehetra ka mihainoa! Iza amin’ireny moa no mba efa nanambara izany? Ilay tian’NY TOMPO no hahefa ny sitrapony amin’i Babilona ary ho amin’ny Kaldeana ny sandriny.
15
Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho ka hambinina ny lalany.
16
Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa! Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho. Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny.
17
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Israely: Izaho, TOMPO Andriamanitrao, no nampianatra anao mba hahitanao soa sady mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.
18
Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19
ho tahaka ny fasika ny taranakao ary ho tahaka ny sombim-pasika ny aloaky ny kibonao; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany.
20
Mivoaha hiala any Babilona; mandosira avy any amin’ny Kaldeana! Torio amin’ny feo mahafaly ary ambarao, aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany ka lazao hoe: NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony!
21
Tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-tany efitra; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy; eny, nampitresaka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano.
22
Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO.
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 49 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66