bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 34
Isaiah 34
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 35 →
1
Manatòna ianareo Jentilisa mba handre! Mihainoa ianareo firenena! Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!
2
Fa ny fahatezeran’NY TOMPO dia amin’ny Jentilisa rehetra ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fisafoahany; efa nodidiany hatao zavatra voaozona ireo ary natolony hovonoina.
3
Izay voavono amin’ireo dia hariana ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary hiempo ny tendrombohitra azon’ny rany.
4
Ho levona ny tafiky ny lanitra rehetra ary hahorona tahaka ny fangorona taratasy ny lanitra; ny tafiny rehetra dia halazo tahaka ny falazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo, mihintsana avy amin’ny aviavy.
5
Fa ny sabatro dia mamo any amin’ny lanitra; indro, hidina ao amin’i Edoma izy sy amin’ny firenena voatendriko ho zavatra voaozona mba ho fitsarana azy.
6
Feno ra ny sabatry NY TOMPO; eny, mihoso-menaka avy amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny jabora fonom-boan’ny ondrilahy; fa misy fanatitra ataon’NY TOMPO ao Bozra, ary misy fandringanana be ao amin’ny tany Edoma.
7
Miaraka aripaka aminy ny ombimanga mbamin’ny vantotra omby sy ny ombilahy ka vonton-dra ny taniny ary mihoso-menaka ny vovo-taniny.
8
Fa andro famalian’NY TOMPO izany, taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona.
9
Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny; ho toy ny dity mirehitra ny taniny.
10
Tsy hovonoina izany na alina na andro, ary hisavoana tsy mitsahatra ny setrony; ho tany karankaina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izy, tsy hisy handeha hamakivaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
11
Fa ho zaratanin’ny tararaka sy ny sokina izy. Hitoetra ao ny vorondolo lehibe sy ny goaika, ary hohenjanina eo aminy ny kofehy fandrefesan’ny fikorontanana sy ny fandrefesana marindranon’ny fahafoanana.
12
Tsy hisy ho ao intsony ny lehibe hanendry izay ho mpanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
13
Ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, songosongo sy voaroy no ho ao amin’ny manda fiarovany, ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny aotirisy izany.
14
Hihaona amin’ny kary ireo mponina any an-tany efitra, hiantso ny namany ny osilahy; ary ilay biby mandehandeha amin’ny alina no hitoetra any ka hahita toeram-pialan-tsasatra ho azy;
15
hanao ny lavany any ny bibilava ka hanatody sy hikotrika ary hifana ao amin’ny alokalony; any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy.
16
Tadiavo ny bokin’NY TOMPO ka vakio! Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza; tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’NY TOMPO no nandidy izany, ary ny Fanahiny ihany no nanangona azy.
17
Izy no nanendry anjara ho an’ireo ary ny tanany no nizara izany ho an’ireo tamin’ny kofehy fandrefesana. Handova izany mandrakizay ireo ka hitoetra ao hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66