bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 30
Isaiah 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 31 →
1
Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany!
2
Mandeha midina ho any Ejipta izy nefa tsy nanontany ny hevitro, hiery any amin’ny fiarovana mafin’ny farao sy hitady fialofana ao amin’ny alokalok’i Ejipta.
3
Kanjo ho tonga henatra ho anareo ny fiarovana mafin’ny farao, ary ho fanalam-baraka anareo ny fialokalofanareo ao amin’ny alokalok’i Ejipta.
4
Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
5
Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ny firenena tsy mahasoa azy, izay tsy manampy na mahasoa, fa mahatonga henatra sy latsa ho azy kosa.
6
Ny loza hanjo ny behemota any amin’ny Negeva. Any amin’ny tany feno fahoriana sy tebiteby, izay iavian’ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny dragona manidina, no nitondrany ny harenany teny an-damosin’ny boriky tanora, ary ny fananany teo amin’ny trafon’ny rameva, ho any amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory!
7
Zava-poana sy tsinontsinona mantsy ny famonjen’ny Ejiptiana; koa izany no niantsoako azy hoe: Rahaba tsy mahefa na inona na inona!
8
Avia ankehitriny, soraty izany, soraty amin’ny fafana eo anatrehany ary soraty amin’ny boky, mba haharitra amin’ny andro ho avy, ho vavolombelona mandrakizay doria.
9
Fa firenena maditra izy, zanaka mpamadika, zanaka tsy mety mihaino ny lalànan’NY TOMPO,
10
fa miteny amin’ny mpahita izy hoe: Aza mahita! Ary amin’ny mpaminany hoe: Aza maminany zavatra marina aminay, manaova teny malefaka aminay, maminania fitaka!
11
Mialà amin’ny lalana, mivilia amin’ny sakeli-dalana, atsaharo tsy ho eo anoloanay intsony ny Iray Masin’ny Israely!
12
Koa izao no lazain’ny Iray Masin’ny Israely: Satria mandà izany teny izany ianareo sady matoky ny herisetra sy ny fiolakolahana ka miankina amin’izany,
13
dia ho toy izao ity heloka ity eo aminareo: Tahaka izay mivava efa mila hianjera ka mivohitra amin’ny manda avo, ary ho tampoka dia tampoka no haharavany.
14
Hopotipotehina tahaka ny fahapotipotiky ny vilanin’ny mpanefy tanimanga izy; homontsamontsanina tsy misy indrafo; ary tsy hisy vakiny ho tavela ka mbola ho azo angalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano.
15
Fa izao no lazain’ny Tompo, dia NY TOMPO, ny Iray Masin’ny Israely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fahanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo. Nefa tsy nety ianareo!
16
Fa hoy kosa ianareo: Tsia! Handositra an-tsoavaly izahay! Noho izany dia handositra tokoa ianareo. Hoy koa ianareo: Hitaingina ny haingam-pandeha izahay! Dia ho haingam-pandeha koa ny mpanenjika anareo.
17
Handositra toy ny olona tokana ny arivo raha rahonan’ny olona iray; eny, handositra ianareo raha rahonan’ny dimy, mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny tsato-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana.
18
Koa mbola hiandry ny hamindrany fo aminareo NY TOMPO, ary mbola hisandratra Izy mba hiantra anareo. Fa Andriamanitry ny fahamarinana NY TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy!
19
Fa ianao ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony! Fa hamindra fo aminao tokoa Izy noho ny feon’ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany dia hamaly anao Izy.
20
Homen’ny Tompo mofo ianao raha ory, ary rano raha malahelo; tsy hiery intsony ny Mpampianatra anao; hahita ny Mpampianatra anao ny masonao.
21
Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao hoe: Ity no lalana ka andehano.
22
Ary holotoinao ny takelaka volafotsy voapetaka amin’ny sarivongana sampinao sy ny takelaka volamena voapetaka amin’ny sampinao voarendrika; harianao tahaka ny maloto izany. Mialà amiko! Izany no holazainao aminy.
23
Hanome ranonorana ho an’ny masomboly izay nafafinao tamin’ny tany Izy, ary ny hanina vokatry ny tany dia sady ho tsara no mahavoky; ary amin’izany andro izany dia hihinana eny amin’ny tany malalaka ny ombinao.
24
Ny omby sy ny boriky tanora izay miasa ny tany dia hihinana vilona voaisy sira izay voatsikerakera amin’ny angady rovi-dela sy ny fikororohana.
25
Ary amin’ny andro lehibe famonoana, amin’ny fianjeran’ny tilikambo fiambenana, dia hisy lakandrano sy rian-drano hikoriana any an-tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra.
26
Ny hazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny hazavan’ny masoandro dia ho avo fito heny ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’NY TOMPO ny fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy.
27
Indro, avy any lavitra any ny anaran’NY TOMPO, mirehitra ny fahatezerany sady mavesatra no mandrahona; feno hatezerana ny molony, ary tahaka ny afo mandevona ny lelany;
28
ny fofonainy tahaka ny riaka dia manafotra hatreny am-bozona; hanivana ny firenena amin’ny sivana fandevonana Izy; ho lamboridy mampivily eo amin’ny valanoranon’ny olona izany.
29
Ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fankalazana ny andro firavoravoana; ny hafalian’ny fonao dia ho tahaka ny olona mandeha miaraka amin’ny feon-tsodina ho any amin’ny tendrombohitry NY TOMPO, any amin’ny Vatolampin’ny Israely.
30
Hanandratra ny feon’ny fiandrianany NY TOMPO ary hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny fahatezerana mirehitra sy ny lelafo mandevona, amin’ny oram-baratra sy ny orana mivatravatra ary ny havandra vaventy.
31
Fa noho ny feon’NY TOMPO dia ho raiki-tahotra ny Asiriana. Hokapohiny amin’ny tsorakazo ireo.
32
Isaky ny miantefa ny tsorakazo voatendry, izay amelezan’NY TOMPO azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; ary amin’ny tanana misandratra no hiadiany aminy.
33
Fa efa voavoatra hatramin’ny taloha i Tofeta; eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izy, natao lalina sady malalaka; ny fatany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’NY TOMPO izay tahaka ny renirano solifara no mampirehitra azy.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66