bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 60
Isaiah 60
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
1
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao.
2
Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
3
Manatona ny fahazavanao ny firenena maro ary mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
4
Atopazy manodidina ny masonao ka jereo: Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ny zanakao vavy dia sakelehina.
5
Hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao, fa hoentina ho anao ny harenan’ny ranomasina ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
6
Ho feno rameva betsaka ao aminao, dia rameva tanora avy any Midiana sy Efaha; samy avy any Seba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo manitra no hoentiny, ary ny fiderana NY TOMPO no teny mahafaly hambarany.
7
Ny ondry aman’osy rehetra avy any Kedara dia hangonina ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota no hampiasainao; hatao fanatitra eo ambonin’ny alitarako ireo dia hankasitrahana, ary hataoko mamirapiratra ny tranon’ny voninahitro.
8
Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona sy tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?
9
Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy.
10
Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao.
11
Hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, mba hampidirana ho ao aminao ny harenan’ny firenena sy ny mpanjakany izay voababo.
12
Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, hofongorana ireny firenena ireny.
13
Ho tonga aminao ny voninahitr’i Libanona, ny hazo kipreso sy ny hazo kesika ary ny kirihitra koa dia handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14
Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao. Ary hiantso anao izy hoe Tanànan’NY TOMPO, Zionan’ny Iray Masin’ny Israely.
15
Ho solon’ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’olona namakivaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao; eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
16
Hinono amin’ny Jentilisa ianao sady hinono amin’ny mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.
17
Hahatonga volamena Aho ho solon’ny varahina, ary hahatonga volafotsy ho solon’ny vy; varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpanapaka anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
18
Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony ny fampahoriana, na ny fandravana sy ny fandringanana ao amin’ny faritry ny taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao dia hataonao hoe Fiderana.
19
Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin’ny andro, ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20
Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hisoka ny volanao; fa NY TOMPO no ho fanazavana anao mandrakizay. Ho tapitra ny andron’ny falahelovanao.
21
Ho marina avokoa ny olonao rehetra, hanana ny tany ho mandrakizay izy; eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako, asan’ny tanako ho fampisehoana ny voninahitro.
22
Ny kely dia ho tonga arivo, ary ny malemy dia ho tonga firenena matanjaka; Izaho TOMPO no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66