bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 13
Isaiah 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
1
Ny loza hanjo an’i Babilona araka ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza.
2
Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofahofay tanana izy mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja!
3
Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho sady niantso ny lehilahy mahery fo; dia ireo mibitaka sy mirehareha mba hahatanteraka ny fahatezerako.
4
Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra! Tahaka ny an’ny vahoaka marobe! Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra! Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no misafo tafika hiady.
5
Avy any amin’ny tany lavitra izy ireo, avy any amin’ny faravodilanitra; NY TOMPO sy ireo fitaovam-piadian’ny fahatezerany no avy handrava ny tany rehetra.
6
Midradradradrà ianareo fa antomotra ny Andron’NY TOMPO; tahaka ny fandravan’ny Tsitoha no fiaviny.
7
Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ny olona rehetra;
8
Ho toran-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy; hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; toy ny nodorana afo ny tarehiny.
9
Indro, avy ny Andron’NY TOMPO; andron’ny loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana mba hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
10
Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony, ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany ary ny volana dia tsy hangarangarana.
11
Hatsingeriko amin’izao tontolo izao ny faharatsiany, ary amin’ny ratsy fanahy ny helony; hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona ary haetriko ny fiavonavonan’ny mpampihorohoro.
12
Hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny tena volamena tsy miharo ny olombelona; eny, mihoatra noho ny volamena tsy miharo avy any Ofira aza.
13
Noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary hihovotrovotra any amin’ny fanorenany ny tany, noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany.
14
Dia ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, ary ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpamory ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy; eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy;
15
holefonina izay rehetra azo ary ho lavon’ny sabatra izay rehetra tratra.
16
Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika; hobaboina ny tranony ary hisy hanolana ny vadiny.
17
Indro, hampirisihiko hamely azy ny Mediana izay tsy miraharaha ny volafotsy sady tsy mankamamy ny volamena.
18
Handripaka ny zatovo ny tsipìkany ary tsy hamindrany fo izay ateraky ny kibo; eny, tsy hiantran’ny masony na dia ny zaza aza.
19
I Babilona izay ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora;
20
Tsy honenana intsony izy, ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;
21
fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao, ho feno vorondolo ny tranony; ny aotirisy no hitoetra any ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.
22
Ny kary no hifampierona ao an-tranobeny ary ny amboadia no ho ao amin’ny lapa mirentirenty. Efa antomotra ny fotoanany ary tsy hatao ela intsony ny androny.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66