bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 5
Isaiah 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
1
Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka.
2
Nasainy io ka nesoriny ny vato dia novoleny karazam-boaloboka tsara; nanao trano fiambenana teo afovoany Izy ary nandavaka famiazam-boaloboka teo. Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, kanjo namoa voalobo-dratsy io.
3
Noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ny Joda, miangavy anareo aho, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko!
4
Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanim-boaloboko ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5
Koa ankehitriny, aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ny tanim-boaloboko. Hesoriko ny fefy tsilony ka holevonina izy; harodako ny fefy vatony ka ho voahitsakitsaka izy;
6
Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
7
Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana!
8
Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany!
9
Izao no ren’ny sofiko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro; eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
10
Bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo zemeda, ary eran’ny efaha monja no ho vokatry ny masomboly eran’ny homera.
11
Lozan’izay mifoha vao maraina ka mitady toaka, izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay!
12
Ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; nefa tsy mba jereny ny asan’NY TOMPO, ary tsy mba hitany ny asan’ny tanany.
13
Vokatr’izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsy fahalalany; ho mosarena ny olona ambony ary ho mainan’ny hetaheta ny valalabemandry.
14
Koa izany no mampitanatana vava ny fitoeran’ny maty hanao teli-moka an’i Jerosalema; any no hivarinan’ny olo-manankajany sy ny valalabemandriny ary ny tabatabany mbamin’ny fifaliany.
15
Hatao mitanondrika ny zanak’olombelona ary haetry ny olona; ny mason’ny miandranandram-pijery dia haidina.
16
Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hisandratra amin’ny fitsarany marina, ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin’ny fahamarinana.
17
Hiraoka ahitra toy ny eny amin’ny tany fiandrasana azy ihany ny zanak’ondry, ary any an-tany foana no hipetrahan’ny ondry matavy ka mpirenireny no hiandry ondry ao.
18
Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana, ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety
19
sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika!
20
Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina, izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21
Lozan’izay manao azy ho hendry sy mihevi-tena ho manan-tsaina!
22
Lozan’izay raindahiny amin’ny fisotroan-divay sy mahery amin’ny fampiharoharoana karazan-toaka!
23
Manamarina ny meloka noho ny kolikoly izy sady manala ny rariny amin’ny marina!
24
Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda no hahalovan’ny fotony sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka, satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely.
25
Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony sy anaingany ny tanany aminy ka amelezany azy; dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny fako eny an-dalambe. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
26
Hanangana faneva ho amin’ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso firenena iray avy any am-paran’ny tany; ary indro, avy haingana dia haingana izy.
27
Tsy hisy reraka na tafintohina aminy; tsy hisy ho rendremana na hatory; tsy hisy hanana fehikibo miboraka, na fehin-kapa tapaka;
28
Maranitra ny zana-tsipìkany ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; ny kitron-tsoavaliny dia atao ho tahaka ny afovato, ary ny kodiarany dia ho tahaka ny tadio.
29
Ny fierony dia tahaka ny fieron’ny liom-bavy; mierona tahaka ny liona tanora izy; eny, manerona izy ka mandrapaka ny remby, lasany izany ka tsy azo alaina intsony.
30
Hisy hirohondrohona aminy amin’izany andro izany, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina; ary raha mijery ny tany ny olona dia indro haizina sy fahoriana; ary ny fahazavana dia hohamaizinin’ny rahona matevina.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66