bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 24
Isaiah 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
1
Indro NY TOMPO manafoana ny tany ka mahalao azy, mampihohoka azy Izy ka mampiely ny mponina ao aminy.
2
Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampitrosa sy ny mpitrosa.
3
Ho foana tanteraka ny tany, tena horobaina manontolo izy, fa NY TOMPO no efa miteny izany.
4
Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika ny olona ambony amin’ny tany.
5
Novetavetain’ny mponina ao aminy ny tany satria nandika ny lalàna izy sady nanodinkodina ny didy ary nivadika tamin’ny Fanekena mandrakizay.
6
Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany ary hilanja ny valin-kelony ny mponina ao aminy; voadoro ny mponina amin’ny tany ka olona vitsy foana no sisa ao.
7
Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny foto-boaloboka; misento avokoa ireo izay nifaly am-po;
8
Mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ireo niravoravo; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
9
Tsy misy mihira eo am-pisotroan-divay intsony, mangidy amin’izay misotro azy ny toaka.
10
Rava ilay tanàna be fikorontanana. Mirindrina ny trano rehetra ka tsy azon’olona idirana;
11
Misy fitarainana eny an-tsaha satria tsy misy ny divay, nihamaizina ny fifaliana rehetra, voaroaka ny firavoravoan’ny tany.
12
Fahafoanana no hany sisa ao an-tanàna ary rava sady montsamontsana ny vavahady.
13
Fa ao anivon’ny tany, ao amin’ny olona, dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy fitsimpontsimponam-boaloboka rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
14
Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; noho ny fahalehibiazan’NY TOMPO dia hiantso mafy eny amin’ny ranomasina izy ireo!
15
Mankalaza NY TOMPO any amin’ny fiposahan’ny mazava izy, dia ny anaran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any amin’ny nosy any an-dranomasina!
16
Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina! Fa hoy kosa aho: Levona aho! Levona aho! Lozako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa!
17
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany!
18
Izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voarain’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihovotrovotra ny fanorenan’ny tany.
19
Mivava ny tany, mitresaka ny tany, mihovotrovotra aoka izany ny tany,
20
mivembena dia mivembena tahaka ny olona mamo ny tany, mihevaheva toy ny trano fialofana mihantona, mitambesatra aminy ny fahadisoany ka potraka izy ary tsy ho tafarina intsony.
21
Amin’izany andro izany dia any ambony no hamalian’NY TOMPO ny tafiky ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany.
22
Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy.
23
Dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona, any Jerosalema, ary misy voninahitra eo anatrehan’ny loholony.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66