bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Isaiah 66
Isaiah 66
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 65
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
1
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?
2
Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
3
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
4
Dia tahaka izany kosa no hifidianako ny fampahoriana azy sy handatsahako ny fahatahorany ho ao aminy, satria niantso Aho nefa tsy nisy namaly; niteny Aho nefa tsy nihaino izy fa nanao izay ratsy teo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidiny.
5
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo izay mangovitra noho ny teniny. Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO, mba ho hitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra.
6
Injany misy horakoraka avy any an-tanàna, misy feo avy ao amin’ny tempoly. Feon’NY TOMPO izany, mamaly ny ataon’ny fahavalony Izy.
7
Mbola tsy nihetsi-jaza aza izy dia efa niteraka; mbola tsy nanaintaina aza izy dia efa niteraka zazalahy.
8
Iza no nandre zavatra toy izany? Iza no nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va? Hisy firenena azo atao indray miteraka va? Fa raha vao nihetsi-jaza i Ziona dia efa velon-jaza.
9
Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho ka tsy hampiteraka azy? Hoy NY TOMPO; Izaho izay nampiteraka va no hanakana izany indray? Hoy Andriamanitrao.
10
Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ary miravoravoa aminy, ianareo rehetra izay tia azy; aoka hiara-mifaly aminy tokoa ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,
11
mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin’ny nonony mahafaly; eny, mba higoka ianareo ka hiravoravo amin’ny haben’ny voninahiny.
12
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy ary ny voninahitry ny firenena, ho tahaka ny renirano tondraka. Hampinonoana ianareo; ary hosakelehina ianareo sady horotsirotsina eo ambony lohalika.
13
Tahaka ny olona ampiononin’ny reniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.
14
Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.
15
Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo.
16
Fa ny afo no hoentin’NY TOMPO mitsara, ary amin’ny sabany no hitsarany ny nofo rehetra; ho maro ny voaringan’NY TOMPO.
17
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO.
18
Fa Izaho mahalala ny asany sy ny heviny. Ary ho avy ny fotoana hamoriana ny Jentilisa rehetra sy ny samihafa fiteny; ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
19
Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy.
20
Hitondra ny rahalahinareo rehetra avy any amin’ny Jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy, mitaingin-tsoavaly sy anaty kalesy sy filanjana izy, ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha, ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy NY TOMPO; tahaka ny fitondran’ny Zanak’Israely ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ao anatin’ny lovia madio ho any amin’ny tranon’NY TOMPO.
21
Ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy levita, hoy NY TOMPO.
22
Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko ka haharitra eo anatrehako, hoy NY TOMPO, dia toy izany no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.
23
Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy NY TOMPO.
24
Ary rehefa hivoaka izy ireny dia hahita ny fatin’ny olona izay efa nikomy Tamiko; fa tsy ho faty ny kankany, tsy hovonoina ny afony, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
← Chapter 65
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66