bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 1
Genesis 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 2 →
1
Tamin’ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany
2
dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin’Andriamanitra no nanomba tambonin’ny rano.
3
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava.
4
Hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina.
5
Ny mazava nantsoin’Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.
6
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia habakabaka mba hampisaraka ny rano ho antonta roa.»
7
Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka.
8
Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.
9
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hihandrona amin’ny toerana iray ny rano etỳ ambanin’ny lanitra ka ho hita ny toerana maina!» Dia tanteraka izany.
10
Ny toerana maina dia nantsoin’Andriamanitra hoe tany, ary ny rano nihandrona kosa nantsoiny hoe ranomasina; ka hitany fa tsara izany.
11
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
12
Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
13
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahatelo.
14
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!
15
Ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
16
Ary Andriamanitra nanao ny loharanom-panazavana roa lehibe: ny lehibe kokoa dia ny masoandro mba hanapaka ny andro, ary ny kely kokoa dia ny volana mba hanapaka ny alina; dia nanao ireo kintana ihany koa Izy.
17
Napetrak’Andriamanitra teny amin’ny habakabaky ny lanitra ireny mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany
18
sy hanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny haizina. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
19
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahefatra.
20
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»
21
Dia noarin’Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
22
Dia nitsodrano azy Andriamanitra nanao hoe: «Aoka ireo zava-miaina ao anaty rano hiteraka maro sy hihabetsaka ary hameno ny ranomasina; ary aoka ny voro-manidina hihabetsaka eny ambonin’ny tany!»
23
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahadimy.
24
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.
25
Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
26
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany!»
27
Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.
28
Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
29
Ary hoy koa Izy hoe: «Indro omeko ho anareo eran’ny tany tontolo ny zava-maniry rehetra mamokatra voa, ary ny hazo rehetra mamokatra voankazo: ireny voanjavatra sy voankazo fihinana ireny no ho sakafonareo.
30
Ary ny omeko ny ahi-maitso rehetra ho sakafony kosa dia ny biby rehetra eto an-tany sy ny voro-manidina rehetra eny an-danitra ary ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany, izany hoe ny manam-pofonaina rehetra.» Dia tanteraka izany.
31
Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50