bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 43
Genesis 43
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
1
Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary.
2
Koa rehefa lany avokoa ny vary rehetra nentina avy tany Ejipta, dia hoy i Jakôba tamin’ireo zanany lahy: –Andeha indray ianareo miverina mividy sakafo ho antsika.
3
Fa namaly azy i Joda nanao hoe: –Ilay tompon’ny tany dia nanafatrafatra mafy anay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»
4
Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamîna, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.
5
Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: «Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»
6
Ary hoy i Jakôba hoe: –Nahoana no dia nampidi-doza ahy ianareo ka nilaza tamin’izany lehilahy izany fa mbola manana rahalahy ianareo?
7
Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»
8
Ary i Joda kosa nanampy hoe: –Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.
9
Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.
10
Ary ankehitriny raha tsy nitaredretra izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11
Ka hoy i Jakôba tamin’ireo zanany: –Raha izany àry, dia izao no ataovy: Mitondrà an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an’ilay Ejiptianina. Mitondrà zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, làdana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.
12
Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.
13
Dia ento ny rahalahinareo ary miaingà ka miverena any amin’izany lehilahy izany.
14
Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.
15
Dia nentin’izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamîna; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan’i Jôsefa.
16
Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.
17
Notanterahin-dralehilahy ny baikon’i Jôsefa; ary nentiny tany an-tranon’i Jôsefa ireo,
18
dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: «Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.»
19
Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an’ilay mpikarakara ny tao an-tranon’i Jôsefa ka niresaka taminy hoe:
20
–Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo.
21
Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,
22
ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.
23
Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,
24
ka nasainy niditra tao an-tranon’i Jôsefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny.
25
Nanomana ny fanomezana ireo mandra-piavin’i Jôsefa tamin’ny antoandro, satria efa reny fa hiara-misakafo aminy eo izy.
26
Vao niditra i Jôsefa, dia natolotr’ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
27
Dia nanontany ny fahasalaman’izy ireo i Jôsefa, sady nanampy hoe: –Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy?
28
Ka hoy ny navaliny azy: –Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.
29
Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!
30
Feno loatra ny fon’i Jôsefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin’ny efitranony ary nitomany tao.
31
Rehefa avy nanasa tarehy izy, dia niditra indray. Notsindriany ny fihetseham-pony ary nasainy naroso ny sakafo.
32
Norosoana sakafo mitokana i Jôsefa, natao mitokana ny an’ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin’ny Hebreo satria fady izany.
33
Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
34
Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50