bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 25
Genesis 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 26 →
1
Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketorà no anarany.
2
Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.
3
I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna.
4
Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefera, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.
5
Nomen’i Abrahama an’i Itsehàka avokoa izay rehetra nananany.
6
Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an’i Itsehàka zanany hankany amin’ny tany atsinanana.
7
Nahatratra dimy amby fitopolo amby zato taona no nahaveloman’i Abrahama,
8
dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.
9
I Itsehàka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin’ny lava-baton’i Makpelà, ao amin’ny sahan’i Hefrôna zanakalahin’i Tsôhara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin’i Mamre.
10
Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.
11
Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn ’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.
12
Izao no lisitry ny taranak’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, naterak’i Hagara ilay Ejiptianina mpanompovavin’i Sarà.
13
Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna,
14
i Mismà sy i Domà, i Masà
15
sy i Hadada, i Temà sy i Jetora ary i Nafisy sy i Kedmà.
16
Ireo no zanak’i Jismahela 12 lahy, samy lehiben-tarika avy. Samy mitondra ny anarany avy ny tanànany sy ny tobiny.
17
Nahatratra 137 taona i Jismahela vao niala aina, ary maty ka nakambana tamin’ny razany.
18
Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.
19
Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama.
20
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
21
Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.
22
Nifandàka ireo zaza kambana tao an-kibony, ka hoy Rebekà hoe: –Raha toy izany, nahoana re aho no nitoe-jaza? Dia lasa nanontany ny TOMPO izy.
23
Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.
24
Nony tonga ny andro hiterahany, dia niteraka zaza kambana tokoa i Rebekà.
25
Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany.
26
Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.
27
Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
28
I Itsehàka dia tia an’i Hesao, satria nankafy ny hazany; fa i Rebekà kosa tia an’i Jakôba.
29
Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakôba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy,
30
ka nangataka taminy hoe: –Mba omeo kely amin’io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin’ny anaram-bositra hoe Edôma na Ilaimena).
31
Dia namaly azy i Jakôba hoe: –Amidio amiko àry aloha ny fizokianao.
32
Dia hoy i Hesao hoe: –Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana?
33
Fa namaly indray i Jakôba hoe: –Mianiàna amiko àry ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin’i Jakôba ny fizokiany.
34
Ary nomen’i Jakôba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50