bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 17
Genesis 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 18 →
1
Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
2
fa hotolorako ny fanekempihavanako ianao, ary hohamaroiko fatratra.
3
Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:
4
–Amiko, dia izao no fanekempihavanako aminao: Hanjary razamben’ny firenena maro ianao.
5
Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben’ny firenena maro ianao.
6
Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.
7
Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8
Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.
9
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –Hitandrina ny fanekempihavanako ianao sy ny taranakao mandimby anao hatrany hatrany.
10
Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11
Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.
12
Hoforana ny zazalahy rehetra eo aminareo isaky ny taranaka mifandimby, rehefa feno valo andro; tahaka izany koa ireo mpanompo teraka ao an-tranonao na novidînao vola ka tsy isan’ny fokonao.
13
Hoforana ny mpanompo teraka tao aminao sy ireo novidînao vola mba hitoetra eo amin’ny nofonareo ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay ny mariky ny fanekempihavanako.
14
Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.
15
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sarà ny anarany.
16
Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.
17
Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»
18
Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!
19
Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.
20
Ary ny momba an’i Jismahela dia efa nohenoiko ny hatakao; indro hotahîko izy, ka hataoko maro anaka ary hampitomboiko fatratra ny taranany. Hiteraka andriana 12 izy sady ho razamben’ny firenen-dehibe iray.
21
Fa ny fanekempihavanako kosa dia haoriko amin’i Itsehàka, izay haterak’i Sarà ho anao amin’ny herintaona toy izao.
22
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nifanaovany tamin’i Abrahama, dia nandao azy Izy.
23
Dia nalain’i Abrahama i Jismahela zanany lahy sy ireo mpanompony rehetra na izay teraka tao aminy na izay novidîny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; ka noforany avokoa ireo iny andro iny ihany araka izay nandidian’Andriamanitra azy.
24
Efa 99 taona i Abrahama, raha noforana;
25
ary i Jismahela kosa dia efa 13 taona.
26
Andro iray ihany no namorana azy mianaka,
27
mbamin’ny lehilahy rehetra tao an-tranon’i Abrahama, na ireo mpanompo teraka tao an-trano na ireo novidîny vola tamin’ny vahiny.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50