bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Genesis 38
Genesis 38
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 39 →
1
Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà.
2
Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady.
3
Nitoe-jaza ilay ramatoa ka niteraka zazalahy, izay nantsoin’i Joda hoe Hera.
4
Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna.
5
Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.
6
Naka vady ho an’i Hera lahimatoany i Joda, ka Tamara no anarany.
7
Fa ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty.
8
Dia hoy i Joda tamin’i Onàna: –Mandehana mankany amin’ny vady navelan’ny rahalahinao, ka alao ho vady loloha izy mba hamelo-maso ny rahalahinao.
9
Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.
10
Ary hita fa ratsy teo imason’ny Tompo izay nataon’i Onàna, ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty koa izy.
11
Dia hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: –Mitoera ho mpitondratena any an-tranon’ny rainao aloha mandra-pahalehiben’i Selà zanako lahy. Fa hoy i Joda anakampony hoe: «Sao dia ho faty toy ny rahalahiny eo koa i Selà.» Dia lasa i Tamara nonina tany an-tranon-drainy.
12
Ary nony afaka elaela, dia maty ihany koa ny vadin’i Joda izany hoe ilay zanakavavin’i Sohà. Ary rehefa afa-tsaona i Joda, dia niakatra ho any Timnà niaraka tamin’i Hirà izay Hadolamita sakaizany mba hijery ireo mpanety ny ondriny.
13
Rehefa ren’i Tamara fa nankany Timnà ny rafozany mba hanety ny ondriny,
14
dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin’i Henaîma, amin’ny lalana mankany Timnà. Hitan’i Tamara manko fa efa lehibe i Selà, kanefa tsy nomena ho vadiny.
15
Hitan’i Joda i Tamara ka noheveriny ho mpivarotena, satria nanaron-tava ravehivavy.
16
Tsy nahafantatra azy ho vinantovaviny i Joda, ka dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana sy nanao taminy hoe: –Avelao mba handry aminao aho. Fa hoy ny navaliny azy: –Inona anefa no homenao ahy amin’izany?
17
Dia hoy i Joda hoe: –Handefasako zanak’osy avy amin’ny andian’ondry aman’osiko ianao. Fa namaly ravehivavy hoe: –Eny, raha omenao antoka aho mandra-pandefanao ny zanak’osy.
18
Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.
19
Avy teo dia niainga i Tamara, ka nandeha nody; nesoriny ny fisalobonana, dia nanaovany indray ny fitafiana maha mpitondratena azy.
20
Nirahin’i Joda ilay Hadolamita sakaizany mba hitondra ny zanak’osy ho any amin’ilay ramatoa sady haka ny tombokase; kanefa tsy nahita azy ralehilahy,
21
dia nanontany ny olona tao Henaîma hoe: –Aiza ilay vehivavy mpivarotena tamoron-dàlana teto iny? Ka hoy ny navalin’ireo azy: –Tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.
22
Ary niverina tany amin’i Joda ilay sakaizany ka nanao taminy hoe: –Tsy hitako ilay ramatoa; ary ny olona tao an-toerana aza dia nanamafy tamiko fa tsy mbola nisy vehivavy mpivarotena izany mihitsy teo.
23
Dia hoy i Joda: –Aoka ho lasany any ireny zavatra ireny, sao afa-baràka eo isika! Indro aho efa nampanatitra ny zanak’osy, nefa tsy hitanao ilay ramatoa.
24
Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.
25
Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin’ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: –Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohòka ahy. Koa fantaro izay tompon’ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?
26
Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda.
27
Rehefa tonga ny andro hiterahan’i Tamara, dia indreo zaza kambana no tao an-kibony.
28
Teo am-piterahana, dia niseho ny sandrin’ny zaza iray ka nosamborin’ny mpampivelona sady nofatorany kofehy mena fa hoy izy hoe: –Ity zaza ity no teraka voalohany.
29
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny sandriny, dia indro ny rahalahiny indray no tafavoaka, ka hoy ny mpampivelona hoe: –Ahoana izao fibosesika nafitsokao izao? Dia nataon’i Joda hoe Peretsa na Fibosesika ny anarany.
30
Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin’ny sandriny ka nataon’i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50